Taranja iray ahafahana mampandroso sy mampiroborobo ny kolontsaina malagasy ny kabary. «Betsaka ny tia sy mankafy io taranja io fa vitsy ny mandalina azy», hoy ny mpikabary eo anivon’ny VKMM (Vovonana sy Kiadin’ny Maha-Malagasy), Rakotoarisoa Tsilavina. Mahafaty ny kolontsaina malagasy tanteraka ny habetsahan’ny kolontsaina vahiny sy ny teknolojia mitobaka eto […]
kolon-tsaina
Sekolin’ny fiainana sy sehatra fandalinana mozika : feno 52 taona ny Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy
Mandia ny faha-52 taona nijoroany ankehitriny ny antoko mpihira Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy, izay manana mpikambana 35 eo ho eo. Manome lanja manokana ny seha-panabeazana maha olona feno (vatana sy saina ary fanahy). Nomarihin’i Mamisoa, filohan’ny Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy fa sehatra iray malalaka ahafahana manabe […]
“Fespaco 2023” : voafantina ny sanganasan’i Hary Joël
Tafiditra ao anatin’ny hofidina mandritra ny “Fespaco 2023” andiany faha-28 ny sanganasan’i Hary Joël na Rakotovelo Andriaminosoa Hary Joël. Ny «Fespaco» na «Festival panafricain du cinéma et de la télévision de Ouagadougou» dia fetiben’ny sarimihetsika isan’ny goavana indrindra aty Afrika ary sangany eran-tany. Isaky ny 2 taona no hanatanterahana azy […]
“Revy tsy dia fahita firy…”: hanaraka an’i Erick Manana ry Trio Swing sy Ralah’Trio
Mitrandraka tolotra vaovao hatrany. Maro ny tarika natsangany na niarahan’i Erick Manana. Samy manana ny hanitra ho azy raha ny Trio Swing Berlin sy ny Ralah’Trio, izay samy hiaraka an-tsehatra aminy… Tsy lany “pasy” izy raha fikarohana sy fampiarahana talenta… Tarika ivondronana mpanakanto malagasy ny Ralah’Trio, raha toa ka mpanakanto […]
Madagascar Mozarteum : hisy « Concert d’orgue » roa
Hiavaka ny hanokafan’ny Madagascar Mozarteum ny taona 2023. Fampisehoana « Concerts d’orgue » indroa miantoana no hotanterahina miaraka amin’i Miravo Ramarolahy sy Hasina Stéphane (traompetra) ary i By Ramaroson (saksofona soprano). Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-135 amin’ny « Concert classique du midi », ilay hotontosaina ny talata 24 janoary ao amin’ny Ekar Faravohitra izy […]