« Human ». Hira navoakan’i Shyn tany amin’ny volana novambra tany, izay miresaka ny fitiavan’ilay Zanahary ny olombelona, nomeny hanjaka tamin’ny tany sy ny tontolony kanefa tsy nanaja izany… Anatin’ny laza tanteraka ity hira ity amin’izao fotoana izao. Andran-tsira ho an’ny rakikira vaovao izay ketrehan’i Shyn sy ny ekipany, kasainy hivoaka afaka […]
kolon-tsaina
Minisitra Andriamananoro Augustin : “Hapetratsika ilay Madagasikara ho an’ny Malagasy”
Tontosa omaly ny fifamindram-pahefana teo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Namaritra ny vinany ny minisitra vaovao, Andriamananoro Augustin. “Isaorako ny minisitra teo aloha, Rakotondrazafy Lalatiana, sy ny ekipany noho ny asa maro vitany. Inoako fa ho maro koa ny mbola hotontosainao manomboka eto”. Ampahan’ny lahatenin’ny minisitra Rahantanirina Vavitsara Gabriella, […]
«IFFR 2024»: handray anjara ny sanganasan’i ‘Hachimiya Ahamada
Anisan’ny handray anjara amin’ny “Festival international de film Rotterdam” (IFFR) ny sarimihetsika «Zanatany, L’empreinte des linceuls esseulés» an’i ‘Hachimiya Ahamada. Sarimihetsika maneho ny zava-nisy tany amin’ ny faritanin’i Mahajanga, indrindra ny fifandraisan’i Madagasikara tamin’ny nosy Comores, ny taona 1976. Sambany handray anjara amin’ny hetsika lehibe izy ity. Ny IFFR izay […]
Kabary: harem-pirenena mampandroso ary lovain-jafy
“Izay tia ny tenin-drazany, tia ny tanindrazany”, hoy ny Fimpima. Azo itarafana ny maha izy ny firenena iray kabary. Notontosaina, omaly, teny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny hetsika fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny kabary, nokarakarain’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.mpi.ma). Niatrika izany ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ity fikambanana ity. Anisan’izany Andriamboavonjy […]
Fimpima – Unesco : homarihina ny « Androm-pirenen’ny kabary »
« Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina dia foana ny fankalazana iombonana amin’ny Androm-pirenena ho an’ny kabary, araka izany, afaka manao fankalazana manokana ny fikambanana », hoy ny fampitam-baovaon’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fimpima). Eo ambany fiahian’ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco. Eo ambany fitarihin’ny Fikamban’ny mpikabary malagasy, hotanterahina […]




