kolon-tsaina

Fetin’ny Paska : miverina amin’ny lazany Antsirabe

Ho aiza ianareo amin’ny Paska? Antsirabe… Efa zary nahazatra ny sofina ny naheno io valinteny io tao anatin’ny taona maro. Nolalovan’ny valanaretina Covid-19 i Ma­dagasikara. Tsy tazana firy intsony io mampisongadina an’Antsirabe io. Nalaina ny mpikarakara hetsika kolontsaina. Nalaina ny mpanakanto, sns. Taona 2024, miverina amin’ny lazana ny Renivohitr’i Vakinankaratra […]

Tarika Rebika : hankalaza ny jobily faha-35 taona nihirana

Etsy Antsahamanitra no hankalaza ny jobily faha-35 taonany ny tarika Rebika, amin’ny Alatsinain’ny Paska ho avy izao. Fampisehoana goavana no hoentina hanamarihina izany. Anisan’ny nitety vanim-potoana ary tranainy indrindra ny tarika. Mbola manana ny maha izy azy sy maro mpankafy anefa izy ireo hatramin’izao. Mpanohana ofisialy ny hetsika izay hotontosaina […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina, rahampitso, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ao anatin’ny hetsika «Café-histoire», ny fandefasana ny sarimihetsika «Tabata­ba», notontosain’i Raymond Rajaonarivelo. Hisy ihany koa ny tafa sy dinika iarahana amin’ity mpanatontosa ity. Nandravaka ny IFM Analakely, omaly, ny sarimihetsika «Dounia et la Princesse d’Alep» sy ny «Les inséparables», tao anatin’ny […]

« Fiainana sy Fiadanana » : “Antsa Paska” hataon’ny Chorale Orimbato

Alahady 31 marsa amin’ny 3 ora sy sasany ao amin’ny FJKM Tranovato Ambato­nakanga. Hanatanteraka ny “Antsa Paska 2024” nampitondraina ny lohateny «Fi­ainana sy fiadanana» ny Chorale Orimbato. Hampaha­tsiahy an-kira izay nizoran’i Kristy ho famonjena ny zanakolombelona, izy ireo. Fiaraha- miasa eo amin’ity antoko mpihira ity sy ny komitin’ny EWS Foibe […]

RIBD 2024 : nizara ny traikefany i Catmouse

Tanterahina nanomboka omaly, hatramin’ny 30 marsa 2024, any Bénin, ny «Rencontre Internationale de la Bande Dessinée» (RIBD) andiany faharoa. Anisan’ny nahazo fanasana manokana miatrika izany Rajemison Dinah, na i Catmouse, Malagasy mpiangaly tantara an-tsary. Nitarika ny valandresaka niresahana ny lohahevitra hoe “Imaginaires linguistiques et francophonie dans le bande dessinée en […]