“Ambohipihaonan’ny Malagasy, Malagasy miketrika aty an-dafy…”. Izay ny fiandohan’ny hira vaovaon’ny Gasy Band. Io hira io no nahazo ny voalohany, ka hatao hira fanevan’ny fankalazana ny faha-50 taona nisian’ny “Rencontre nationale sportive” na ny RNS. Nifaninana nandritra izany koa ry Baomba Gasy, Lalah ary Bana, saingy ity an’ny Gasy Band […]
kolon-tsaina
Kianja Masoandro : Handray seho haisorakanto
“Ikaloy fitiavana ny tenindrazantsika”. Io ny lohatenin’ny seho haisorakanto, izay hotontosaina ao amin’ny Kianja Masoandro Anatirova, manomboka amin’ny 10 ora sy sasany. Hifarimbona hanatanteraka izany i Rima sy Tsiahy Andrianina, mpanoratra sy poeta, samy manana ny hanitra ho azy. “Fifanorohana tsy nahy, iarahako amin’i Tsiahy Andrianina”, hoy ny famaritan’i Rima […]
Fifankatiavan’olon-droa : Nanaraka ny lamina voajanahary ny Malagasy
Eo amin’ny tontolon’ny fitiavana, samy manana ny fombany ny tsirairay. Ny isam-pianakaviana… Nahitana taratra fiombonana kosa teo amin’ny fifankatiavan’olon-droa (lahy sy vavy, zanaka sy ray aman-dreny, zoky sy zandry…), ho an’ny Malagasy. Singa iray anisan’ny nanamafy orina ny fiainam-piarahamonina nisy teto Madagasikara ny fifankatiavana. Tsy niandrasana vanim-potoana tahaka ny « Fetin’ny […]
TARATRY ny KANTO
“Firaisana voalohany”, iarahana amin-dRalanto, Mami Bastah ary Ankoay. Ao amin’ny Valahara Café Antsirabe no hanatontosana ity fiarahana miavaka amin’ ny rehetra ity. Samy hitondra ny mozikany i Mamy Bastah sy Ralanto, izay vazo mifototra amin’ny tendry gitara sy ny vokatry ny tany avokoa. Hohaingoin’i Ankoay amin’ ireo tononkalo mafonja tonony, […]
Teny sadasada: Misy « Reny » mpamahan-dalitra
Hanamarika ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny » i Madagasikara ny 21 febroary izao. Tsy afa-miala amin’ny nahatonga ny Malagasy hanao tsinontsinona sy tsy manome hasina ny teny malagasy tahaka izao ny reny. Nahoana moa no ho tia ny teniny ny zanaka malagasy? Vao any am-bohoka dia efa hamolavolana anaram-bahiny handraisana […]