Nampiasain’ny mpanjaka sy ny olon-kendry, hitantanana ny tany sy ny fanjakana tamin’izany ny paikadin’ny fanorona. Manomboka takona anefa itony karazana kilalao malagasy itony ary efa vitsy ny mahalala sy milalao azy ankehitriny. Harena ho an’ny Malagasy ny fananana karazana lalao noforonin’ny razambe. Tanterahina ny asabotsy 10 desambra 2022 eny amin’ny […]
kolon-tsaina
Andriamamonjisoa Ny Antso : “Mila finiavana be ny fianarana teny malagasy”
Mbola vao 16 taona monja Andriamamonjisoa Ny Antso dia efa nankafy ny teny malagasy tamin’ny fandalinana kabary. Anisan’ny nahazo fankasitrahana tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Fikambanan’ny Mpikabarin’ Antehiroka sy ny “Association Andraina” izy, ny taona 2019. Roa monja ny mpandray anjara tamin’ny sokajy ankizy tamin’izany. Tsy nijanona teo amin’ny am-bava fotsiny ny […]
RAP Malagasy: mpanakanto vahiny 12 no ho ao amin’ny “Festival Zaza Rap Taiza”
Tombony maro no azo noho ny fisian’ny hetsika sahala amin’itony. Fampiroboroboana ny tontolon’ny Rap malagasy ary tosika ho an’ny mpanakanto miangaly izay gadona izany. Tombony lehibe ihany koa ho an’ny Malagasy mpiondana ny Rap. Tanterahina ny 8 hatramin’ny 10 desambra 2022, eny amin’ny Lapan’ny Kolotsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina ny “Festival […]
Tontolon’ny saripika: notokanana teny Ambatovinaky ny takelabato Ramilijaona
Ramilijaona na « Ramily », andrarezin’ny tontolon’ny saripika malagasy. Notokanana, omaly, tetsy Ambatovinaky ny takelabato misy ny anarany sy ny soniany. Ankoatra ny sonia, tazana ao anatin’ity takelaka ity ihany koa ny soratra : « Tato no niorina voalohany ny trano studio an-dRamilijaona (1887 – 1948), rain’ny fakana sary malagasy maoderina ». Voasoratra amin’ny fiteny […]
Fampivelarana ny kolontsaina, fomba amam-panao…: mitaky fanazavana amin’ny raiamandreny ny vanim-potoana ankehitriny
Nanana ny nampiavaka azy ny Malagasy sy i Madagasikara raha ny tontolon’ny kolontsaina, fomba amam-panao, ny fady… Noezahin’ny mpanjakazaka an-tanin’olona nopotehina izy ireny mba hampalemy ny tompon-tany. Maro ireo niova endrika, niova dika, niova bika, sns. Very sy latsaka eo an’elanelan’izany rehetra izany ny tanora miaina amin’izao vanim-potoana izao. Mitady […]