kolon-tsaina

Tontolon’ny hira: nodimandry i Jacques le Contrebassiste

Nindaosin’ny fahafatesana ny alatsinainy 27 novambra teo Rasoloniaina Jacques, fantatra tamin’ny solon’anarana « Jacques le Contrebassiste », teo amin’ny maha mpanakanto azy. Ny fitendrena io zavamaneno « contrebasse » io no nametraka azy teo amin’ny toeran’ny andrarezin’ny hira malagasy. « Hafa mihitsy rehefa ny hira no asian’i Jacques, contrebasse », hoy ny mpitia zavakanto sy ny […]

Nisongadina tamin’ny talentany : nodimandry i Cheffe Mariette, mpitahiry ny hainahandro fahiny

Raha vao hoe haify sy hainahandro malagasy, voatonona avy hatrany ny anaran’ny Cheffe Mariette Andrianjaka. Nahalala azy sy ny talentany avokoa, hatrany ivelany. Lasa namonjy an’i Ludger Andrianjaka ity vadiny ity… Vaovao ratsy hatrany… Nodimandry ny alin’ny alatsinainy teo i Cheffe Mariette Andrianjaka. Andra­rezina teo amin’ny tontolon’ny haify sy ny […]

Kintan’ny Fanilo Mikabary: namoaka mpikabary 20

Nanatanteraka fanandratana mpikabary 20 mianadahy ny Kintan’ny Fanilo Mikabary, ny sabotsy lasa teo, tetsy Tsarahasina Ambohimanga­ke­ly. Ny 10 tamin’izy ireo, nisalotra ny anarana « Ma­tsilo », izay mpikabary niofana nandritra ny enim-bolana ka nandray ny mari-pahaizana maha mpikabary azy. « Ma­nandratra ny tsara ho an’ny lova iombonana ny fanalavana ny Matsilo », hoy Ramilison […]

Rakotomavo Germain : nodimandry ny andrarezin’ny tendry gasy

Raha resaka gitara, indrindra ny tendry gasy, tsy azo dinganina ny anarany. Lasa nanampy isa ireo kintan’ny mozika malagasy any amin’ny mandrakizay ihany koa Rakotomavo Germain, mpitendry tao amin’ny tarika Ny Antsaly. Vaovao ratsy ho an’ny fiankaviamben’ny zavakanto. Nodimandry ny alahady teo, teo amin’ny faha-69 taonany Rakotomavo Germain, rehefa avy […]