Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny hetsika kolontsaina faran’ny herinandro, etsy amin’ny Goethe-Zentrum Antananarivo/CGM tohatohabato Antaninarenina. Hanatanteraka seho miavaka eny an-toerana ry Fanaiky Trio, ny alahady 11 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. « Jazz, miteny @ teny tsy fantatra », hiarahana amin’i Fanaiky hitendry gitara, i Mialy Tiana hikapoka ny amponga maroanaka, […]
kolon-tsaina
Unesco – « Réseau du système des écoles associées» : hatsaraina ny fiaraha-miasan’ny samy mpikambana sy ny mpandrindra
Notanterahina, omaly, tao amin’ny foiben’ny Vaomieram-pirenena malagasy momba ny Unesco, etsy Behoririka ny fivoriana fanao isan-taona iarahan’ireo sekoly mpikambana ao amin’ny « Réseau du système des écoles associées » sy ny mpandrindra nasionalin’ity sampana eo anivon’ny Unesco ity. Tapaka tao anatin’izany fa anisan’ny ezaka hotanterahina ny fanatsarana ny fifandraisana sy ny serasera eo […]
“Rock sy ny revintsika”: hanafana ny Piment Café ry Roova
Tarika Roova … Mpanakanto mivoy ny mozika rock indray ny haneho ny talentany, etsy amin’ny Piment Café Behoririka, ny zoma 23 desambra, manomboka amin’ny 8 ora alina. Hira manodidina ny 30 eo ho eo ny hovelomina mandritra izany. Anisan’ny hira ahafantarana azy ireo ny “Tsy anjara”, ny “Hararaoty ihany”, izay […]
Kolotsaina an-tanan-dehibe: tsy ho avy amin’ny « Festival Zaza Rap Taiza » i Blacko
Mihamahazo toerana ny kolontsaina an-tanàn-dehibe eto amintsika. Tanjona amin’izao hetsika izao ny fampiroboroboana ny talenta malagasy sy fanomezana seho manara-penitra. Hetsika iray hanehoana ny kolontsaina an-tanàn-dehibe, indrindra ny mozika ny “Festival Zaza Rap Taiza”. Andro vitsy mialoha ny hanombohan’ny hetsika no nilaza ny tomponandraikitra fa tsy ho avy eto Madagasikara […]
« Zarasehatra » ba gasy : vahin’ny SBG ny Aro KF
Mizotra araka ny nandaminana azy ny fandaharam-potoana nomanin’ny Sehatra Ba Gasy (SBG). Ny asabotsy 10 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy 30mn tolakandro ka hatramin’ny 5 ora hariva, ao amin’ny Aro Antsahavola, roso amin’ny «Zarasehatra» mamaramparana ny taona 2022 ny SBG. Fantatra fa ny tarika Aro Kanton’ny Fahiny, izao […]