Na dia efa ela nisiana aza, mbola tsy lefy laza eo amin’ny kanto malagasy i Rija Ramanantoanina sy Lalatiana sy ny kanto ataony. Mbola maro mpankafy ary ao am-bavan’ny maro ny hiran’izy ireo. Tontosa, omaly, teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Imahamasina, ny «Misy antony», fampisehoana niarahan’i Rija Ramanantoanina sy […]
kolon-tsaina
Nanahirana ny fitsarana : fantatra ny hiatrika ny famaranan’ny “Slam national” andiany faha 13
Nivoaka ny alakamisy lasa teo ny naoty sy ny anaran’ireo hiatrika ny famaranana, ny asabotsy 3 desambra 2022, eny amin’ny “Institut Français de Madagascar” na IFM. Miisa 7 ireo hiatrika izany famaranana izany, ahitana ny solontenan’ny Antananarivo, Toliara, Antsirabe, Toamasina ary Mahajanga. Ny «Festival international de Slam Poesie» andiany faha13 […]
Hanao seho any Sambava: tonga i Grand P, tsy nentiny i Eudoxie, vadiny
Tsy nandainga izy sy ny mpikarakara… Maro ireo tsy nino, saingy efa eto Madagasikara kosa i Grand P amin’izao. Mikasika izay hataony kosa, ny mponin’i Sambava no ho tsara vintana hahita izany. Tsy honohono fa tonga eto tokoa i Grand P! Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly antoandro, ity mpanakanto […]
Sarimihetsika fohy: haroso ny lanonam-pamaranana ny “Madagascourt Film Festival ”
Namoaka fanambarana, tao amin’ny pejy ofisialiny, tao amin’ny tambajotran-tserasera «facebook», ny tomponandraikitry ny hetsika “Madagascourt Film Festival”, ny alakamisy 1 desambra 2022. Votoatin’ny fanambarana ny fandrosoana ny lanonam-pamaranana ny Sabotsy 3 desambra 2022, ao amin’ny “Club 73” Mahajanga, raha tokony ny Alahady no hanaovana izany. Antony manokana izay tsy miankina […]
Malagasy Manoratra: hanao ny « Ndao isika hifanolo-tanana » ho an’ny marefo
Tsy eo amin’ny sehatry ny haisoratra ihany no ahafantarana ny fikambanana Malama, fa eo ihany koa ny asa ifarimbonana ifanasoavan’ny mpiara-belona. Mikarakara hetsika “Ndao isika hifanolo-tanana” izy ireo ary manentana ireo izay manana fitafiana, akanjo, kiraro sns … Hatolotra ireo tsy manan-kialofana sy marefo ara-pivelomana, ny 18 desambra izao izany. […]