kolon-tsaina

Tarika mpihira: nanaraka vanim-potoana ny fiforonan’ny anarana

Nandia lalana lava ny tontolon’ny hira ma­lagasy. Maro ny zava-nitranga sy niova tao anatin’izany. Iray amin’ireny ny fiforonan’ny anarana nisaloran’ny mpihira na ny tarika misy azy. Amin’ny ankapobeny, nanana ny antom-pisiany ireny anarana ireny. Vitsy ihany ireo napetapetaka fahatany, na noforomporonina tsy amin’antony ! Tia mihira ny Malagasy. Saika tazana hatrany […]

Raha te ho lasa lavitra : ahena ny mpikambana anaty tarika

Nandia fiovana lehibe ny tontolon’ny hira sy ny fivoarany. Teo anelanelan’ny taona 1958 ka hatramin’ny 1972, niroborobo fatratra ny tarika mpihira manana mpikambana maro. Ny ankamaroany, nihoatra ny folo mianadahy. Tsy nanana olana izy ireny raha te hanatanteraka seho any ivelan’ny Nosy. Tahaka izany koa ny fitetezam-paritra teto an-toerana. Io […]

Sary pika : nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny « Festival Sar’nao »

Ambohipihaonan’ny mpankafy sary pika indray, ny eny amin’ny AFT Andavamamba, mandritra ity volana ity. Misy ihany koa ny fampirantiana ireo sary nampiasana famaitso, izay vokatry ny atrikasa nokarakarain’ny fikambanana Sar’nao. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo AFT Andavamamba, ny hetsika « Festival Sar’nao », andiany faha 14, miara-dalana amin’ny « mois de la photographie ». Nanomboka omaly, ary […]

Faniry Ezeckiel : hivoaka ny boky « Tantely amam-bolana »

Sabotsy 25 Novambra 2023 ho avy izao, hanomboka amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny Trano­ben’ny Serasera sy ny kolontsaina Akon’Ankaratra. Ha­voaka amin’ny fomba ofisialy ny boky « Tantely amam-bolana », mirakitra tononkalo sy riankalo sanganasan’i Faniry Ezeckiel. Boky 140 pejy. Ahitana lohahevitra miompana amin’ny fiarahamonina sy fitiavana amin’ny fomba fijery […]