Hanolotra fampisehoana amin’ny vahoakan’Antananarivo i Makwa Joma, Malagasy mpanakanto avy any Betsimisaraka, ny 23 novambra izao, etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka. Mikasa hanolotra ny “Eto sy ankehitriny” ho an’ny mpankafy izy amin’io fotoana io, raha ny fanazavana. Ahitana sanganasa maro isan-karazany mandritra ny fampisehoana. Anisan’izany, ny fampiarahana ny dihy […]
kolon-tsaina
Kabary Fi. Fa. Mi : nivoaka ny andiany Tsiry
Mpianatra miisa 47 indray no navoaka ho mpikabary ny sabotsy 4 novambra 2023 lasa teo. Nanovo fahalalana tao amin’ny Fikambanana Fandrotrarana Mikabary na ny Fi.Fa.Mi, izy ireo. Notanterahina teny amin’ny Espace Mon Bon Jardin Ambavahaditokana ny lanonam-panandratana azy ireo. Nisy ny fanolorana ny mari-pahaizana ho an’ireo mpianatra, ka ny 36 […]
Star Academy 2022 – Anisha Jo : nivoaka ny « album », ho avy ny fampisehoana
Tanora manan-talenta nampiaiky ny mpitsara nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena « Star Academy » 2022. Migoka ny valin’ny ezaka nataony i Anisha Jo. Efa nivoaka ny « album ». Ho avy tsy ho ela ny fampisehoana. Anisha Jo, iray amin’ireo nitana ny mason’ny mpitsara sy ny mpijery nandritra ny fifaninanana Star Academy 2022. Anisan’ny valin’ny […]
OrMada : hikatona ny Rova rahampitso
Tsy nahazo alalana ny zaikabe kasaina hatao ao Manjakamiadana Ny Ofisy misahana ny Rovan’i Madagasikara na ny OrMada ihany no misahana ny fitantanana ny toerana. “Ny OrMada dia tsy naharay fangatahana hanao zaikabe ety amin’ny Lapan’i Manjakamiadana, ny alahady 5 novambra ho avy izao, ary tsy nanome no tsy afaka […]
Hira, fanentanana… : mpanakanto feno i Sylange kilalaky
Raharimalala Laurence Sylvie, no tena anaran’ny tovovavy. «Sylange kilalaky», kosa eo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Izy no vehivavy anisany nisantatra ny fiangaliana ny fihirana sy ny fandihizana ny kilalaky, mampiavaka ny Faritr’i Menabe, izay niaviany. Manana fanomezam-pahasoavana amin’ny famoronana hira sy ny fanentanana anatina fampisehoana an-tsehatra ihany koa izy. Ankoatra ny […]




