Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny Ankadindramamy, ny fananganana tamin’ny fomba ofisialy ny fikambanana Ny Antsa Ministry, misehatra eo amin’ny haikanto, indrindra ny hira ara-pilazantsara. Ankoatra ny antoko mpihira Ny Antsa Mass Choir na NMC, ahitana vondrona telo ihany koa mandrafitra Ny Antsa Ministry. « Mitaona ny tanora hahay handray andraikitra mba […]
kolon-tsaina
Mpanao mozika sady avara-pianarana : nodimandry i JonHarp, na Ramose Jaona
Ramaroson Mamiharijaona no tena anarany. Fantatra amin’ny sehatry ny fikarohana sy ny fampianarana ambony, ny fitoriana ny Filazantsara fa indrindra ny mozika izy. Nodimandry, omaly, i JonHarp. Lavo ny andrarezina. Nodimandry teo amin’ny faha-68 taona ny Ramaroson Mamiharijaona. Mpanakanto mpamoron-kira sy mpitendry izy, ary ny fiangaliana ny harpa no tena […]
Rabenandrasana Lalao – Boky: nivoaka ny « Tantaran’i Madagasikara »
«Diary ho an’ny mpianatra”. “Raha nitsidika ny Rovan’ i Manjakamiadana ny mpanoratra ity boky ity, ny 15 desambra 2011, dia ontsa nahita ireo mpianatra marobe nifanosika nandika ny tantaram-pirenena naranty tao. Tapa-kevitra fa hanangona sy hanovo ary handrakitra izany ho bokikely ho an’ny mpianatra sy izay liana amin’ny tantaram-pirenena aho. […]
Misidina ambony vao tra-pahoriana !
Manomboka mifantsika ao an-tsain’ny Malagasy maro ny fiheveran-tena fa ambany raha ampitahaina amin’ny vahiny. Nariana ny maha izy ny tenany fa nolohalohavina ny an’ny hafa. Atao tsinontsinona sy nanjary nahamenatra ny miaina sy manaja ny fomban-drazana sy izay rehetra mifamatotra amin’ireny (fady, tody, fitafy, fifanajana, fihavanana, teny…) fa ratsy, […]
« Sar’Nao » – Iray volan’ny saripika : hifantoka amin’ny saripika amin’ny ravinkazo
Afaka misitraka sy mahafantatra ny karazana saripika sy ny fanontana ireo sary fahiny ny mpitsidika mandritra ny iray volana. Hotontosaina ny 8 ka hatramin’ny 30 novambra 2023 izao ny «Festival Sar’Nao», na iray volan’ny saripika. Hetsika karakarain’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) izy ity, ary ao ihany koa no hanaovana ny […]




