Tanjona sa nofinofy ? Izay ilazana azy tsy maninona, fa toa maneho kisarintsarim-paniriana ihany ny filazana fa « kalon’ny fahiny, ho vazon’ny ankehitriny » ! Azo adika amin’ny hoe, hiverina eny am-bavan’ny Malagasy indray ny kalon’ny fahiny. Ho takany ny hevi-dehibe ampitain’ny tononkira ka hanana ny akony eo amin’ny fiainany. Tsy azo […]
kolon-tsaina
Tarika Baobab : homarihina amin’ny seho maro ny faha-5 taona
Miezaka mitandro fatratra ny aingampanahim-pamoronana. Tarika Baobab, iray amin’ireo mamelona ny hira nanana ny lazany teo anelanelan’ny taona 1960 – 1980 – 1990. Dimy taona niakarana an-tsehatra. Tarika Baobab, ivondronan’ireo mpitendry sy mpihira efa samy manana ny maha izy azy eo amin’ny mozika. Mampiavaka azy ireo ny fanandratana hatrany ny […]
Slam nationale 14: Big Stone sy Konahy Junior no solontenan’Antsiranana
Tontosa ny faran’ny herinandro, tao amin’ny Alliance française d’Antsiranana, ny fifaninanana nifantenana ny solontenan’Antsiranana, amin’ ny « Slam nationale 14 ». Big Stone sy Konahy Junior, no voafidy tamin’izany. Hifaninana amin’ny fifaninanana olon-tokana sy hitondra ny anaran’Antsiranana, araka izany, izy ireo amin’ny fifanitsanana isan-tanàna. Nafana ary fampisehoana feno no natolotry ny mpikarakara […]
Havatsa # Sandratra : hisolo baolina ny penina
Sambany ! Hifanandrina eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ny mpanoratra. Fikambanana roa samy goavana eo amin’ny fikajiana sy fameloma-maso ary fanomezana aina ny soratra no hikatroka amina lalao baolina kitra. Havàtsa-Upem hifandona amin’ny Faribolana Sandratra. Fihaonana hotanterahina, ao amin’ny Kianja RM1 Andohan’Analakely, ny tolakandron’ny alarobia 6 septambra izao. Hosoloina baolina ao anatin’ny […]
Federasion’ny mpihiragasy – Kianja vaovao : « Hisintona mpizahatany ny hiragasy », hoy i Dadafara
Mitohy tsy tapaka isaky ny alahady ny adin-kiragasy tanterahina eo amin’ny Kianjan’ny hiragasy etsy Ampefiloha. Manao ny ezaka hampivelarana izany rahateo ny Federasion’ny mpihiragasy. «Amin’ny ankapobeny, mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanohizana ny fandaharam-potoana rehetra. Misy hatrany ny adin-kiragasy eto amin’ity Kianjan’ny hiragasy ity, isaky ny alahady », hoy Ramilison ( […]




