Tanterahina eny amin’ny Colline-Maison sociale des arts, Ambatovinaky, ny fampirantiana « Hosotra ». Hetsika tsy hifarana raha tsy ny 7 septambra 2023. Fampirantiana hanehoana ireo asa tanana sy haikanto vita amin’ny plastika. Mpahay kanto eo amin’io sehatra io miisa 36 no mampiranty ny asa tanany eny an-toerana. Mandrafitra izany ireo mpahay kanto […]
kolon-tsaina
« Slam nationale 14 »: hifaninana ny ao Antsiranana
Tanterahina anio, ao amin’ny Alliance française Antsiranana, ny fifantenana izay hisolo tena ny tanànan’Antsiranana ho amin’ny “Slam nationale 14, 2023”, eto Antananarivo. Mpifaninana roa no andrasana ho avoakan’ity fifaninanana anio ity. Mpandray anjara roa ambin’ny folo, amin’ny roapolo izao no efa fantatra. Tsy miova ny fepetra sy ny fitsipika fandraisana […]
Fanararaotra ny JIOI : azo amidy tsara ny zavakanto
Nosokafana, omaly, ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Mahatratra 4 000 any ho any ny vahiny tonga eto Madagasikara. Ankoatra ny fanatanjahantena, mahaliana ny ankamaroan’izy ireo ny mampiavaka ity firenena ity. Na samy ato anatin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina aza, manana ny mampiavaka azy i Madagasikara sy ny Malagasy. Fanararaotra ny […]
Afon-dasin’Andohalo: hanafana ny hetsika ny Iraimbilanja
Hianoka fampisehoana iarahana amin’ny tarika Iraimbilanja indray ny mpankafy ny « Afon-dasin’Andohalo », anio hariva, manomboka amin’ny 4 ora, ao amin’ny Zaridainan’ Andohalo. Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy no miara-misalahy amin’ny fanatanterahina ity hetsika ity. Ankoatran’ny fanomezana sehatra ny mpanakanto, tanjon’ny « Afon-dasin’Andohalo » ihany koa ny […]
JIOI – « Volet jeunesse »: Tsy fifaninanana fa fampiraisana ny tanora
Tontosaina eny amin’ny Arena Ivandry, ao anatin’ny fe-potoana hanatanterahana ny lalaon’ny Nosy, ny « Volet jeunesse ». Ankizy sy tanora 14 hatramin’ny 25 taona, 14 isa avy, avy amin’ny firenena fito no hifandimby handray anjara amin’izany. Marihina fa tsy fifaninanana no atao fa hetsika entina hanamafisana ny fifandraisan’ireo tanora avy […]




