Miverimberina hatrany ny hoe « manan-karena kolontsaina ny Malagasy ». Raha ny fahamaroana, ekena io. Rehefa miditra amin’ny maha harena azy, mahita zavatra hafa. Iray amin’ireny ity tranga ity. Hira iray fa misy karazany maro no hikaloana azy. Ilay hirain’iza no tena « Imiangaly no manina » ? Misy an’iny tohiny lavabe iny ve ny […]
kolon-tsaina
Fanentana lanonana – Kabary: 10 taona nampianarana i Rado Havozo
Mpampianatra kabary eo anivon’ny Havozomanitra Mikabary i Rado Havozo. Mandia ny faha-10 taona ny nanatontosany izany. Homarihina amin’ny alalan’ny hetsika samihafa io vanim-potoana io, ny 3 septambra izao, eny amin’ny sehatra maitson’Ambohimahitsy. Manomboka amin’ny 1 ora, hiaka-tsehatra ny tarika Diary. Amin’ny 2 ora latsaka fahefany, fanombohan’ny lanonana hafanain’ny tarika Gasikara […]
Seho any ivelany: « Indray mandeha liana ny Malagasy », hoy i Benja R.
19 taona nonenana any ivelany i Benja Randrianary. Mpihira sady tomponandraikitry ny tarika Ny Mino. Milaza ny fahitany ireo tarika mivahiny any an-toerana sy ny Malagasy mandray izany. Gazety Taratra (*): Amin’ny maha olon-tsotra anao, nanao ahoana ny nandiavana ny 20 taona latsaka kely nonenana taty ivelany ? Benja Randrianary (-): […]
Fitsaboana nentim-paharazana : mila ampiharina ny lalàna efa misy
Nanatanteraka fivoriambe fanao isan-taona tetsy Anosy, ireo fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara (ANTM), omaly. Nifampitaona ny solontenan’izy ireo araka ny talentany avy. Toy ny mpanotra, mpampiteraka, mpanao hasoavan-jaza, mpampiasa ravinkazo, mpanao ody may… Efa nisy mpitsabo nentim-paharazana 3- 5 isam-pokontany nanerana an’i Madagasikara, raha ny fitsirihana nataon’ny OMS tamin’ny taona […]
« Festival Karitaka 2023» : andiany faha-13 ny hetsika
Tontosaina any Ranohira, nanomboka ny 29 aogositra 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 2 septambra 2023, ny “Festival Karitaka 2023”, andiany faha-13. Araka izany anarany izany, ny “Karitaky” no tena hisongadina amin’ity hetsika lehibe ity. Ahitana seho ara-kolontsaina sy zava-kanto maro mampiavaka iny faritra Atsimo iny koa ny hetsika. […]




