kolon-tsaina

Kianjan’ny hiragasy : mitondra ny anaran-dRasamimanana Rochel na Ra-Petit

Mialohan’ny nitondrana ny razana ho any an-tanindrazany. Natao veloma farany tetsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha ny nofo mangatsiakan-dRasamimanana Rochel na i « Petit ». Nisy ny fanapahan-kevitra noraisina. Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Kianjan’ ny hiragasy Ampefiloha ny fanaovam-beloma farany ny nofo mangatsiakan-dRasa­mimanana Rochel na Ra-Petit, filohan’ny Federasion’ny mpihiragasy eto Madagasika­ra. Fotoana nanambaran-dRakotondrazafy Lalatiana, minisitry […]

« Village culturel des Jeux des îles » : mahazo tombony manokana ireo mpahay kanto

Mitohy hatrany ny hetsika sy ranty maro samihafa eny amin’ny Village Voara Ando­hatapenaka, ao anatin’ny « Village culturel des Jeux des îles ». Raha tsiahivina, toerana natokana hialana voly ho an’ny mpandray anjara mandritra ny lalaon’ny Nosy ity toerana ity. Ankoatry ny fampirantiana ny asa tanana sy fampisehoana haitao sy sakafo. Lasa […]

Dihy ankehitriny : raikitra ny « Temps Fort Danse »

Hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ny dihy ankehitriny sy ny Hip-hop anio, ao amin’ny Institut français de Madagascar Analakely (IFM), hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hiaka-tsehatra ny Compagnie Lovatiana x Naty Kaly. Haneho ny ezaka sy voka-pikarohana notontosaina izy ireo. Hanomboka amin’ny 6 ora hariva, kosa ny « Madagascar danse […]

Harem-bakoka : 9% ihany no aty Afrika

Tontosa ny fampiharana ny fifanarahana momba ny fiarovana ny harem-bakoka ara-kolontsaina sy ara-boajanahary iombonan’izao tontolo izao. Hatramin’izao anefa, tsy mbola manana ny lanjany aty Afrika izy ireny. Tokana aman-tany ny harem-bakoka ara-ko­lontsaina sy ara-javaboahary Afrikanina satria ivon’ny maha olombelona. Ma­namarika ny asa nosahanin’ny olona sy ny riba niainana tao anatin’ny […]

Fanaovam-beloma farany : hoentina ao amin’ny Kianjan’ny Hiragasy i Petit 

Nodimandry ny alahady 27 aogositra teo, Rasamimanana Rochel fantatra eo amin’ny tontolon’ny hiragasy amin’ilay solon’anarana « Petit ». Izy no filohan’ny Federasion’ny mpihiragasy. 66 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Araka ny vaovao nampitain’ny filoha lefitry ny federasiona, hampandalovina etsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefi­loha ny nofomangatsiakan’ity andrarezin’ny hiragasy ity, ny alarobia 30 […]