kolon-tsaina

MSK-OIF : mihamafy ny fiaraha-miasa

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy,omaly, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT Andavamamba), ny hetsika fampirantiana “La Francophonie dans la diplomatie et à travers les contenus Culturels Malagasy”. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK) sy ny « Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) » ary ny AFT Andavamamba no nahatanterahan’izao hetsika izao. Tanjona […]

Mozika miaina : namoaka ny rakikira « Fito – Seven » Rajery

Mpanakanto 43 taona nitendrena valiha. 40 taona niakarana sehatra. 30 taona niatrehana ny sehatra iraisam-pirenena. Hita taratra ao anatin’ny rakikira « Fito – Seven » avokoa ireo traikefa ireo. Mpanakanto manana ny lazany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ! Nampahafantarin-dRajery, omaly, tao amin’ny Carlton Anosy, ny fivoahan’ny rakikira vaovao « Fito – Seven ». Hira 9 no voarakitra ao […]

Mozika mifangaro: hanome voninahitra ireo efa lasa ry Sivy Mahasaky

Miavaka raha samy tarika! Mpanakanto samy manana ny karazana mozika iangaliany, ary samy kalaza amin’izany, no mandrafitra ny Sivy Ma­hasaky. Hevitra nipoitra avy tamin’i Tsilavina Ralaindimby io tany am-piandohana. He­vitra hafahafa, kanefa nanokatra ny fijerin’ny maro ny mozika malagasy: mpanakanto mpivoy ny hira vokatry ny tany, miaraka amin’ny mpiangaly rock, […]

Fampirantiana “Lamba forever” : tanjona ny hampahafantatra ny lamba sy ny tontolony

Mahatalanjona ny mahita ireo haikanto miranty eny amin’ny Hakanto Contemporary, ao anatin’ny fampirantiana “Lamba forever”. Betsaka ihany koa ireo tsy nanampo ny haikanto vita amin’ny lamba sy ny mety hampiasana azy ireny. Mitohy hatrany ny fampirantiana « Lamba forever », atao eny amin’ny Hakanto Contemporary Anka­dimbahoaka. Fam­pi­ran­tiana izay efa nisokatra tamin’ny 8 […]

« Feo roa, gitara roa » : nitondra lavitra ireo mpankafy i Dama sy i Erick

« Rahakamoana ». Hira tsotra kanefa mavesatra ny tonony… hiran-dRaoul io, izay nataon’i Erick Manana irery. Io ny hira nanokatra ny fampisehoana indroa mihantaona tetsy amin’ny CCesca Antani­mena, ny zoma sy ny alahady teo. « Nisy tantara ny niantombohanay, ary anisan’ny nampiakatra an-tsehatra voalohany sy nandrisika an’i Erick Manana tanatin’ny mozika ny […]