Nikatona ny alin’ny sabotsy teo ilay fifaninanan-kira « La voix d’or » andiany fahafito. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny sokajy zandriny i Rebeka, raha toa ka lasan’i Caroja kosa ny sokajy zokiny. Sahirana ary vaky vava mihitsy ireo mpitsara, satria dia tena mahay sy manan-talenta avokoa ireo ankizy niatrika ny dingana […]
kolon-tsaina
« Championnat danse 2023 » : matihanina sy avo lenta ny fifaninanana
Samy naneho ny maha izy azy ny mpifaninana tsirairay, nandritra ny fifaninanana , teo amin’ny sokajy rehetra, ka nanome endrika sy seho mahafinaritra. Afa-po ny rehetra ary maniry ny hitohizan’ny ezaky ny tsirairay ho fampandrosoana ny dihy eto Madagasikara. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kianja mitafo Vatofotsy, Antsirabe, […]
Toamasina – Fi.Mpi.Ma : hofaranana anio ny « Herinandron’ny kabary »
Hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ny kabary malagasy. Hofaranana, anio, any Toamasina ny « Herinandron’ny Kabary » andiany faha-17. Efa nisantatra tsikelikely io hetsika famaranana io ny fandaharam-potoana notontosaina, omaly. Fitsidihana ireo toerana manan-tantara sy faka iorenan’ny kolontsaina malagasy any amin’iny faritra atsinanan’i Madagasikara iny. Tafiditra tao anatin’izany ny seranan-tsambo. « Hianoka ny […]
« Slam nationale 14 » : mitohy ny fifaninana isam-paritra
Tontosaina anio, ny fifaninanana hamaritana ny hisolo tena ny tanànan’Antalaha sy Toamasina, amin’ny « Slam nationale 14 ». Eny amin’ny Alliance Française, amin’ireo tanàna ireo no hanatanterahina izany fifaninanana izany. Ny Madagaslam, miaraka amin’ny vondron’ny mpiangaly Slam amin’ireo toerana ireo no mikarakara ny hetsika. Olona roa no andrasana sy hisolo tena ny […]
« Festival Sôrogno » andiany faha-24 : handrasan’Ambanja ny sehon-dry Dadi Love, Sisca, Lico …
Hetsika mandritra ny efatra andro ary fampisehoana mandritra ny 4 alina. Hivelatra kokoa ny « Sôrogno” ao Ambanja amin’ity, raha ny fandaharam-potoana sy ny fanomanana azy. Tsy mbola tapaka mihitsy isan-taona ! Hiditra amin’ ny andiany faha-24 ny « Festival Sôrogno » fanao ao Ambanja amin’ity taona ity. Hotontosaina ny 24 hatramin’ ny 27 […]




