kolon-tsaina

« Beat Box Battles Madagascar »: misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana

Nisokatra ny 13 aogositra 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 26 aogositra 2023, ny fandraisana ny horonantsarin’ny mpifaninana ho amin’ny « Beat Box Battles Madagascar 2023 ». Ny fikambanana Beat Box Madagascar no mikarakara ny hetsika. Sokajy roa no hifaninanana amin’ity andiany fahadimy ity. Mai­maimpoana tanteraka ny fandraisana anjara ary tsy […]

Zaridainan’Andohalo: hitohy amin’ny afondasy ny « Kindriandrian’Iarivo »

Zarina tsikelikely. Raha toa ka manana ny morondranomasina hialan’ny mpianakavy voly ny any an-tsiraka, manana ny eny amin’ny toerana avo koa ny eto Iarivo. Tanjona amin’ny « Afondasin’Andohalo » ny ha­nome fialamboly feno rehefa faran’ny herinandro. Efa nisy ny andiany voalohany, notontosaina ny 4 aogositra lasa teo. Na­kana lesona hanarenana ny lesoka […]

Tsy fahalalana, eboebo, laza…: Endrika ivelany sisa ilay kolosaina

Iray amin’ireo mampiavaka an’i Madaga­sikara sy ny Malagasy manoloana ny firenen-kafa ny fananana kolontsaina marobe. Niharan’ny fiovana anefa izy ireny… Fandikan-teny « mivilana » ihany ny hoe « kolontsaina », raha takarina amin’ny foto-pisainana malagasy. Ny saina no nokoloina tamin’ny hira, fanorona, valiha, angano, kabary, katro, sns. Noho izany, « kolosaina » no tokony ho izy. […]

Faha-100 taonan’ny mpanoratra Nihry-Lanto : “Mendrika hampitaina amin’ny vahoaka malagasy ny toe-tsainy”

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fankalazana ny faha-100 taonan’i Nihry Lanto. Vory tao amin’ny Tranombokim-pirenena ny fianakaviana, notronin’ireo solontenan’ny fikambanan’ny mpanoratra sy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Sera­sera sy ny kolontsaina. Izy ireo no toko telo nahamasa-nahandro ny fankalazana, ho fampahafantarana ny mpanoratra sy ny sanganasany ho an’ny mpiara-belona […]

« Salon des Jeux de société »: kilalaon-tsaina maro no hifaninanana

Miditra amin’ny herinandro faharoa ny hetsika «Salon des jeux de sociéte», eny amin’ny Alliance française (Aft) Andavamamba. Fifaninana amina sehatra maro no handrafitra ny fandaharam-potoana amin’ity herinandro ity. Raha tsiahivina, ny 19 aogositra 2023 no hifarana ity hetsika ity, fotoana hanolorana ny loka ho an’ny mpandresy isaky ny karazany avy […]