Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny anoloan’ny Gara Soarano, ny fampisehoana «Manal’azy tanora zokiny» niaraka tamin’i Olombelo Ricky. Seho nihaon’ny mpankafy ity tarika ity indray tamin’ny mpankafy azy. Maro ny mpankafy tonga teny an-toerana niara-paly sy nikorana. Nandritra ny fampisehoana, nisy ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny tarika Tsimihole. “Henika sy tretrika […]
kolon-tsaina
30 taona an-tsehatra : nanolotra seho miavaka ho an’ny mpankafy i Nanie
Nifanome fotoana, niaraka nianoka ny hiran’i Nanie, ireo mpankafy azy. Seho miavaka sy mendrika ny faha-30 taona nihirana no natolotr’i Nanie ny mpijery tonga teny amin’ny CCEsca, omaly. Tontosa omaly, teny amin’ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana niarahana tamin’i Nanie. Seho nankalazana ny faha-30 taona niakaran’ity mpanakanto ity an-tsehatra. Mpanakanto maro […]
Kabary : hanao pao-droa ny Fi.Mpi.Ma Toliara
Hiavaka ny andro anio sy rahampitso, any Toliara ! Roa andro hamoahana andiana mpikabary roa. Anio, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ao amin’ny Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera, Faritra Atsimo Andrefana, havoaka amin’ny fomba manetriketrika ny andia «Mazavaloha». Rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, eny amin’ny Amphi Degs, […]
Teatra ho an’ny Ankizy : hiaka-tsehatra anio ireo mpiofana
Tanterahina anio, eny amin’ny EPP Antsahabe, ny fampiharana ny fampiofanana nandritra ny atrikasa teatra ho an’ny ankizy, nokarakarain’ny “Compagnie Miangaly Théatre”. Naharitra 3 herinandro ny atrikasa, ary haseho ny daholobe anio ny vokatra. Efa vonona tanteraka ny mpandray anjara amin’ity seho atao anio ity. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, hanana ny […]
« Kanton’i Gasikara » : sehatra maro no nahazo tombony
Vokatra vita malagasy maro no miranty manome fahafaham-po ny mpitsidika ny fampirantiana « Kanton’i Gasikara », eny Antaninarenina. Sehatra maro no nahazo voka-tsoa tamin’ny hetsika. Anio no hifarana ity fampirantiana ity Mifarana anio ny hetsika fampirantiana «Kanton’i Gasikara», atao eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Sakafo, haikanto, lamba fitafy ary asa tanana malagasy […]




