Nitohy omaly, teny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny atrikasa «Hay», natokana ho an’ny ankizy 6 hatramin’ny 12 taona. Raha tsiahivina, fampianarana ny tontolon’ny tenona no ampiofanana ireo kilonga ireo ao anatin’izany. Ankoatra izay, misy ny fampahafantarana ireo mpiofana ny mahakanto ny zavakanto. Tanjona ny hitaizana ny ankizy ao anatin’ny haikanto […]
kolon-tsaina
Velona ny haisoratra : raikitra ny « Herinandron’ ny Havàtsa-Upem » 2023
Fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana sy fikoloana ary fampivelarana sy fanomezana aina ny haisoratra. Havàtsa-Upem, mandia ny faha-71 taonany. Hisy ny fanomezan-danja ny mpanoratra sy ny asa soratra… Hanomboka ny talata 24 oktobra izao, ao amin’ ny Tranombokim-pirenena, ny «Herinandron’ny Havàtsa-Upem» 2023. Lohahevitra lehibe amin’izany ny «Velona, ho velona ny […]
« Nofy Maitso” andiany faharoa : mpahay kanto maro mandray anjara
Tontosaina mandritra ity herinandro ity, ao Toamasina renivohitra, ny fifaninana « Nofy Maitso », andiany faharoa. Hetsika ara-javakanto maro samihafa no ho hita manditra ny hetsika. Anisan’ izany ny fifaninanana “Slam Poèsie” sy ny fampisehoana ataon’ny mpahay kanto, mpihira, malaza avy amin’iny faritra iny. “Andao hiaraka hanonofy, andao hiaraka hanatanteraka”, hoy ny teny manentana […]
Hasin’ny zavakanto : mila fitaizana ny Malagasy
Lanja aman-kasin’ny zavakanto sy ny kolontsaina. Miaina izany ny Malagasy. Zavakanto, ohatra, ny hira. Nomeny hasina fatratra ka notsinjarainy sy nosokajiany araka ny nampiasany azy. Ao ny antsa, kalo, rary, sns. Tsy nisy sahy nanimba azy ireny. Efa fanomezan-kasina goavana be izany. Varotra fampirantiana hosodoko, zara raha mahalafo tabilao iray […]
Halevina anio : namela mamy ny Pasitera Rahaga
Tsy misy tsy mahay ny hirany. Anisan’ireo nitondra aim-baovao ho an’ny fitoriana ny Filazantsara an-kira teto Madagasikara ny pasitera Andriamiadanarivo Rahagalahy, fantatry ny maro amin’ny hoe Pasitera Rahaga. Araka ny efa notaterina teto, nodimandry ny alatsinainy, teo amin’ny faha-68 taonany ity mpitandrina sady mpamoron-kira no mpihira ity. Efa fotoana elaela no re […]





