kolon-tsaina

Soratra sy tantara: miatrika fihaonambe ny Faribolana Sandratra

Tanterahina any Maha­janga ny fihaonambem-pirenen’ny Faribolana Sandratra. Zaikabe fahaenina, handinihana ny fiainam-pikambanana iray manontolo sady fampiraisana ny mpanoratra manerana ny Nosy, raha ny fanazavan’i Zo-Maminirina, mpikambana Faribolana Sandratra, sady mpandrindra ny sampana Antananarivo, teo aloha. Maro ny raharaha handraisana fanapahan-kevitra. Anisan’izany ny fanatsarana ny fiainam-pikambanana, ireo hetsika nasionaly sy ny […]

« Antsika hisôma vakansy »: fianarana ao anaty kilalao sy fialamboly

Fahombiazana no azo ilazana ny hetsika « Antsika hisôma vakansy”, karakarain’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) eny Antsahavola, raha izay andro maromaro nanombohany izay no asian-teny. Feno avokoa ny fandaharam-potoana raha ny tamin’ity herinandro ity. Fampianarana asa tanana, filalaovana kilalaon-tsaina malagasy, hitohy amin’ny fijerena horonan-tsary izany amin’ity anio ity, ao anatin’ny « Tola­kandro […]

CUA- Manda Mpikabary: hovelarina ny kolontsaina

Mitohy anio, ary hifarana ny sabotsy 5 aogositra 2023, ny hetsika fampianarana kabary, maimaimpoana, iarahan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanana Manda Mpikabary, manerana ny boriborintany enina eto an-drenivohitra. Tanjon’ny mpikarakara amin’izany ny fampivelarana eny anivon’ny fiarahamonina, eo ihany koa ny fampahafantarana ny ankizy sy ny tanora ny maha izy […]

Lalaon’ny Frankôfônia – Zavakanto : Medaly volamena ho an’i Richianny, volafotsy ho an’i Fitiavana !

Namiratra i Madagasikara, namiratra ny Malagasy mpanakanto! Nosalorana ny me­daly volamena, omaly, i Ri­chianny Ratovo, teo amin’ny sokajy hosodoko . Nanakoako teto amin’ny Musée national de la RDC ny hiram-pirenena malagasy, nampahatsiahy ny valin’ny asa sy ezaka nomban’ny talentan’ny mpanakanto, nifaninana tamin’ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy. « Hay ny tsiky […]

Lalaon’ny Frankôfônia-Mozika : Nosembanin’ny ara-teknika ry Ndaty Lahy

Nanao no tsy nambinina. Tapitra ny lalan’ny Ndaty Lahy taty Kinshasa. Manokatra ny lalan’ny tarika any an-kafa kosa anefa iny. Tsy tafakatra tamin’ny dingana famaranana. Na teo aza ny talenta, tsy niara-dalana tamin’ny tarika Ndaty Lahy ny vintana taty Kinshasa, nandritra ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy, taranja hira, anatin’ny sokajy […]