kolon-tsaina

“Volana iray, mpanoratra iray”: hampahafantarina i Riva sy ny sanganasany

Manana ilay talenta mihazona ny mpamaky hanjohy hatramin’ny farany izay i Riva… Misongadina amin’ny fahaizany milalao ny teny, mamoaka ny aingam-panahiny ihany koa. Riva Ando Andriamalala, fantatry ny maro amin’ny sonia Riva. Mpanoratra, poeta tsy zoviana amin’ny tontolon’ny literatiora izy. I Riva indray no nosafidiana hampahafantarina anatin’ny hetsika “Volana iray, mpanoratra iray”, […]

Atrikasa vaky boky: hitondra ny traikefany i Arikaomisa Randria

Tanterahina eny amin’ny Tranomboky monisipalin’ny boroborintany fahatelo, eny Antaninandro, ny atrikasa momba ny boky, karakarain’ny Kaominaina Antananarivo Renivohitra (CUA), amin’ny alalan’ny DACVC, ao anatin’ny hetsika « Ca­ravan’iles 2023 ». Arikaomisa Randria no hitondra ny fahaiza-manaony sy ny traikefany amin’ity anio ity. Hitondra ny haikantony sy hanome fahalalana ireo ankizy mahakasika ny haikanto […]

Fampivelarana ny teny malagasy: hisy ny fifaninanana « Soratonon’2023 »

Tsy eto an-toerana ihany fa hatrany ivelany, tsy tapaka fa mitohy ireo hetsika ho fampivelarana sy ho fano­me­zana aina ny teny malagasy. Hotontosaina ny sabotsy 18 novambra izao, ao amin’ny Institut national des langues et civilisations orien­tales (Inalco) 65 Rue des Grands Moulins, 75013, Pa­ris, ilay fifaninanana « Sora­tonon’2023 ». Hozaraina sokajy roa […]

Fahendrena sy soatoavina: tsy manan-katolotra intsony ny Malagasy ?

« Ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza”, hoy ny ohabolana malagasy. Eo amin’ny lamina voajanahary indray: “izay ananana ihany no omena”. Nisy nitazona ary ve ny fahendrena malagasy? Ny zaza malagasy, tsy manaja mpampianatra. Ny tanora, manivaiva raiamandreny. Ny olon-dehibe, tsy mifanome hasina, sns. Ka izay ananany ihany ange no omeny […]

Vanga : hofakafakaina ny « Resadresak’i Thomas Sankara sy ED Andriamalala »

«Resadresaky ny andrarezina», hoy ny fampahafantarana. Maneho ny fifaneraserana nisy teo amin’i Thomas San­kara, filoham-pirenen’i Burki­na Faso teo aloha, sy ny Malagasy mpanoratra, Emil­son Daniel Andriamalala, iza­ny. Hofakafakain-dRandria Solofonantenaina Mika na i Vanga, mandritra ny hetsika «Bar à livres», hotontosaina eny amin’ny Le Park Bemaso­andro Itaosy ny lohahevitra, ny sabotsy […]