kolon-tsaina

« Tetikasa Kanto Manabe » : tanjona ny hampivoatra sy hampiroborobo ny talentan’ny tanora

Maro ny tanora liana amin’ny fanaovana sary, ary tena manana talenta amin’izany izy ireo raha ny hita eny amin’ny fampirantiana “Diversité et Biodiversité de Madagascar”. Izany indrindra no nampisy ny tetikasa “Kanto Manabe” ho tombontsoan’izy ireo. Haikanto maro samihafa no miranty ao amin’ny kaominina Antanana­rivo Renivohitra. Ny 30 aogositra 2023 […]

Fampianarana sy kolontsaina : hotokanana ny Tranombakoka « J. Nalisoa Ravalitera »

Nalisoa Ravalitera, mpampianatra, mpanabe, mpikaroka, mpanoratra, mpikabary… Ireny rehetra ireny, voarakitra avokoa ! Hotokanana ny 12 aogositra 2023 izao, amin’ny 9 ora maraina, ny Tranom­bakoka « J. Nalisoa Ravali­te­ra ». Trano miorina ao Tsara­ho­nenana Imerimandroso Alaotra. Ho voarakitra ao anatin’ity tranombakoka ity avokoa ny mombamomba an’i Nalisoa Ravalitera. Ny fiainany, ny sanganasany, ny […]

Nanjary marivo salosana ny Malagasy !

Nampitahorina, dia natahotra. Nasaina nino, dia nino. Nampanantenaina, dia nanantena… Nivandravandra ny tranga tahaka ireo, nanomboka ny taona 1896. Tsy mivavaka raha tsy mankany am-piangonana. Izay tsy manaraka ilay « didy » nentin’ny vahiny, dia any amin’ny « afobe ». Niova tsikelikely Ramalagasy. Nipararetra nanoloana ny « zavatra » tsy fantany akory… Nanaraka ho azy ireo […]

« Salon des jeux de société » : omena lanja manokana ny vita malagasy

Ambohipihaonan’ny mpisehatra eo amin’ny kilalaon-tsaina ny eny amin’ny AFT Andavamamba, nanomboka omaly. Karazana kilalaon-tsaina maro samihafa no hita eny an-toerana, anisan’izany ny antsika malagasy sy ny vao nivoaka. Nisokatra omaly ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 19 aogositra 2023, ny hetsika « Salon des jeux de société », atao eny amin’ny Alliance […]

« BeatBox battle Word Championship » : tompondaka maneran-tany i Do-B !

Misesy ny famirapiratry ny Malagasy mpanakanto, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Taorian’i Richianny Ratovo sy Fitiavana Ratovo, tany amin’ny lalaon’ny Fran­kô­fônia, nisongadina tany Berlin ihany koa i Do-B Raso­lofoarison. Tompondaka ma­neran-tany amin’ny BeatBox, sokajy «Vocal Scratch» man­tsy i Do-B ! Tontosa omaly alina, tao amin’ny Stade Hux­leys Neue Welt ao Berlin […]