kolon-tsaina

« Lecture en rire » : tanjon’ny hetsika ny hanabe sy hampiala voly

Tontosa, omaly, teny Am­banidia, tao amin’ny boribo­rintany faharoa ny hetsika, « Lecture en rire”. Hetsika ka­rakarain’ny fikambanana Be Tige sy ny Gasy Stand-Uppers, miaraka amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny DACVC. Vaky boky nolaroina hatsikana niarahana tamin’ny mpanao hatsikana ao amin’ny Be Tige sy Gasy Stand Uppers ny he­tsika raha tsiahivina. […]

Jazz@Tohatohabato – « Jazz Kids » : nahatafita hafatra ireo zoky mpilalao jazz

Nosokafana, omaly, tao amin’ny Ivokolo Analakely ny fampisehoana voalohany amin’ny « Jazz@Tohatohabato ». Ireo kilonga voasokajy ao anatin’ny « Jazz Kids » no nanatanteraka izany. Nitendry ny vatamaroafi­tsoka i Mamy Robinson. Ny zanany vavy no ni­hira ny « Manin-te hody ». Nia­katra ny sehatra ry zareo ao amin’ny Jazz Club CGM, ta­zana teny an-toerana i Pépé, […]

Na tsy nisy aza ny soratra : nifampatoky ny Malagasy

Izay voasoratra dia voasoratra ! Fehezanteny manambara ny lanjan’ny soratra amin’izao vanim-potoana izao. Tsy azo hivadihana na ho­dian-tsy hita, fa manana hery matanjaka hoenti-mifampifehy. Ireo sehatra nampiasana azy rahateo mametraka sahady io lanjany io. Nanoratana ireo didy aman-dalàna ifampifehezana. Tahaka izany ihany koa ny fifanarahana isan-karazany, fifampivarotana, fananganan-jaza, sns. Na […]

Jazz@tohatohabato : hosokafan’ny « Jazz Kids » ny sehatra

Raikitra ! Manomboka anio, hiaina andro maromaro ao anatin’ny jazz ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, tsy hifarana raha tsy amin’ny 5 ora sy sasany hariva, etsy amin’ny Ivokolo Analakely (Cemdlac teo aloha) no hisantaran’ny «Jazz Kids» ny fandaharam-potoanan’ny hetsika «Jazz@tohatohabato», andiany faha-12. […]