Mpamoron-kira, mpihira, anisan’ny ngezalahy ! Nitoeran’ny talenta tsy manam-paharoa. Tsy ho hita eny an-tsehatra intsony… Nindaosin’ny fahafatesana i Abel Ratsimba ! «Ray alina ô», «Kinanjo», «Sahinao», «Lasa ianao», «Ny foko vao nitia»… Hira anisan’ny nahafantarana an’i Abel Ratsimba. Nodimandry ny sabotsy 21 oktobra, teo amin’ny faha-86 taonany ity mpamoron-kira sady mpihira manana […]
kolon-tsaina
Taom-pianarana 2023 – 2024: hosokafana rahampitso ny « Takalo dinika »
Iray amin’ireo hetsika fanaon’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy, isaky ny faran’ny herinandro ny « Takalo dinika amorom-patana ». Nampiarahina amin’ny fisokafan’ny taom-pianarana kabary 2023 – 2024 ny fanokafana azy ity. Rahampitso alahady 22 oktobra, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro ka hatramin’ny 6 ora hariva (oran’i Madagasikara). Hiompana amin’ny lohahevitra : « Ny kabary sy ny […]
Hetsiky ny MJ Events : raikitra ny « Roots Rap Reggae »
Sambany sady voalohany ary mbola hitohy. Hotanterahina etsy amin’ny CFM Anosy, anio amin’ny 3 ora tolakandro ny “Roots Rap Reggae”, andiany voalohany. Hiaka-tsehatra amin’izany ireo mpanakanto mivoy gadona iray anatin’ny fahasamihafana. Ahitana an’i Psykopasy, Big Jim Da, Mashmanjaka Tsirefesimandidy & Othentik Di Ras, Rootsikalo, Maro’zik, Abdozy, Lousfah. Anisan’ny hetsika voalohany […]
Musée de la Photographie : misokatra anio ny « La Voix, le loin »
Hiavaka kely ny fampirantiana eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, manomboka anio. Ankoatra ny fampirantiana haikanto maro samihafa. Hisy ihany koa ny fampahafantarana ireo haikanto sy kolontsaina maha izy ny Malagasy. Tanterahina anio, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny tafatafa iarahana amin’ny mpahay kanto, Raharimanana Jean Luc, […]
Aft Andavamamba: hiditra amin’ny andiany faharoa ny « Festival des livres « Thrillers »
Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft Andavamamba), manomboka rahampitso hatramin’ny 31 oktobra 2023, ny « Festival des livres « Thrillers » andiany faharoa. « Les monstres littéraires » no lohahevitra noraisina amin’izany. Hetsika lehibe hanehoana ireo haikanto maro samihafa mampatahotra. Anisan’izany ny rantin-tsary, teatra, lalao sy fifaninanana, atrikasa ary fihaonana sy fifampizarana. Tanjona ny […]





