“Foloalindahy frère-nay, aza tifirina izahay”, “Tsy mifandratra ny samy Malagasy”, “Malagasy tsy manao herisetra”, “Stop herisetra”, sns. Santioanany amin’ireo soratra narantin’ireo mpanakanto nanao fanambarana ireo. «What’s up», hiran’i 4 Non Blondes, malaza eran-tany. “Ity hira ity dia nadikan’Andriamatoa Ravalomanana Richard tamin’ny teny malagasy. Nitondra hery ho ahy ka indramiko ary […]
kolon-tsaina
Is’art Galerie: miavaka ny haikanton’ i Aina Zo
Nisokatra omaly ny fampirantiana ny « Spectrum », eny amin’ny Is’Art Galérie Ampasanimalo. Rantin-tsarin’i Aina Zo Raberanto, mpaka saripika, no hita eny an-toerana, hatramin’ny 9 novambra 2023. Zava-misy eo amin’ny fiainana andavanandron’ny olona no nangalian’ity mpaka sary ity ary nasehony tamin’ny fomba kanto. Saripika 25 isa no arantin’i Aina Zo Raberanto, eny […]
Hira evanjelika: manohy ny lalany i Zook Davids
Fitetezam-paritra lehibe maro no vitan’ny tarika Zook Davids, nandritra iny fialantsasatra lehibe farany teo iny… Tohizan-dry zareo izany na efa ao anatin’ny fotoam-pianarana aza ny mpianatra, satria, manampy amin’ny tontolon’ny fanabeazana. Ny alahady 15 oktobra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Cité Akany Sambatra eny Itaosy. Hanatanteraka […]
Latsaka an’elanelany: very fitaratra ny tontolon’ny hira malagasy
Kanto nahitana fiovana lehibe ny hira malagasy. Amin’ny ankapobeny, nanaraka vanim-potoana izany. Ny nalaza omaly, tsy heno ny ampitso. Ny fantatra androany, lefy rahampitso. Taloha… Taloha… Taloha…! Mankalilo ny sofina sasany ny mihaino izany ankehitriny. Saingy, tsy maintsy voateny ihany amin’ny lafin-javatra sasany. Very fitaratra ny hira malagasy. Famerimberin’ireo mpanakanto […]
Festival International Madajazzcar : mihamivelatra ny Jazz eto amintsika
Nitohy omaly, teny amin’ny oniversite Ankatso sy teny Andohatapenaka, ny «Festival International Madajazzcar» andiany faha-34. Samy nanana ny hanitra ho azy ny Jazz tamin’ireo toerana ireo. Tanjon’ny hetsika ny hampivelatra ity karazana mozika ity ho an’ny rehetra. Eo ihany koa ny fanomezana sehatra ireo mpiangaly ity mozika ity vao misandratra, […]





