Notanterahina omaly, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny fampisehoana teatra, notontosain’ny Tropy Antananarivo Teatra, nampitondraina ny lohateny hoe «Tanora Fanantenana». Fotoana iray nanehoan’ity tropy ity ny maha izy azy. Maro ny mpisehatra eo amin’ny teatra eto Madagasikara sy mpankafy izany no tonga nankafy izany. Tanjon’ny hetsika ny hametrahana […]
kolon-tsaina
«Festival Temps Fort Danse»: hiavaka ny hetsika na andiany voalohany aza
Hotanterahina manomboka ny 30 aogositra hatramin’ny 16 septambra 2023, eny amin’ny Institut Française de Madagascar (IFM) Analakely, ny «Festival Temps Fort Danse», andiany voalohany. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny dihy ity hotanterahina ity. Vondrona sy mpandihy manana ny maha izy azy maro eto Madagasikara no haneho ny fahaiza-manaony sy ny talentany, […]
Kolontsaina sy zavakanto: notokanana ny «Kianjan’ ny hiragasy»
Tsy mba zavakanto tsotra ny hiragasy fa kolontsaina koa. Tsy natao ho fahafinaretan’ny sofina fotsiny fa fitaizana ny taranaka. Ho fampivelarana izany, notokanana, omaly, ny fotodrafitrasa vaovao. «Kianjan’ny hiragasy», io ny anarana nasalotra ilay toerana vaovao fanaovana adin-kiragasy etsy ambadiky ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha. Mahazaka mpijery 700 ity kianja ity, raha […]
Velakevitra – Soratra: « Mety ho levona ny talenta », hoy Ravorombato Ony
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny « Famoloana Telozoro” ilay velakevitra hotontosain-dRavorombato Ony Lantoarimamy, nomena ny lohahevitra : « Ny fahalevonan’ny talenta eo amin’ny pôeta sy ny mpanoratra ». Famelabelaran-kevitra hotanterahina ny 2 aogositra izao, ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. Tari-dresaka nataon’ity mpanoratra ity ny fanehoana fa misy ny talenta fa […]
Mozika sy hira : Omen-danja ny kolontsaina sy ny haikanto
Nisitraka atrikasa fampianarana mozika sy hira, andiany faharoa, ny rehetra teny anivon’ny boriborintany enina eto Antananarivo, ny alarobia sy zoma teo. Nokarakarain’ny sampandraharaha misahana ny haikanto, kolontsaina ary vaky boky ao amin’ny Fitaleavana misahana ny haikanto, kolontsaina ary ny fiainam-piarahamonina tarihin-dRavelomanantsoa Elia, eo anivon’ny CUA. Nisitraka izany, ireo sokajin’ olona […]




