kolon-tsaina

Fivoarana amin’ny tsara: mila mivelatra ho tonga mpandraharaha ny mpanakanto

Ny talenta misy, fa hatreo amin’ny fanehoana izany eny an-tsehatra ihany! Saika iharan’io tranga io ny ankamaroan’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ary ny mpanakanto manao azy. Vitsy ny sahy miroso amin’ny lalindalina kokoa. Azo isaina amin’ny rantsan-tanana ny mpanakanto eto an-toerana tafiditra ao anatin’ny fandraharahana amin’ny kanto ataony. Anisan’ny […]

« Antsika Hisôma VAKANSY » : hahazo tombony ny ankizy

Tanterahina, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, manomboka ny 7 aogositra 2023, ny «Antsika Hisôma VAKANSY». Hetsika karakarain’ny IKM, hampahafantarana sy hampilalaovana ny ankizy ny kilalao malagasy, indrindra amin’izao fialantsasatra izao. Ankoatra ny lalao, hisy koa ny fampianarana asa tanana sy haikanto. Tanjon’ny hetsika ny hitaiza ny ankizy ao […]

Very ny kolontsaina : nanjary sarotra beazina ny Malagasy

Mifamatotra amin’ny kolontsaina ny fanabeazana. Nifampihataka tsikelikely izany ho an’ny Malagasy. Nanako teny amin’ny fiarahamonina ny vokany. Ny zanaka no harena. Ny taranaka no ho dimby… Nanabe o olom-banona ny Malagasy. Anisan’ny fitaovana nentiny hanatanterahina izany sady nanampy azy rahateo ny kolontsaina sy ny zavakanto. Mba hampirindra ny lamina rehetra, […]

Rakotomalala Rivoniaina : « Efa liana amin’ny angon-tahiry ny Malagasy »

Hajia, baiboly, fiarakely, «carte postale», sombin-dahatsoratra… Samy angonin-dRakotomalala Rivoniaina avokoa. Efa nisy ny fampirantiana maro notontosainy tao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Somary nijanona kely izany noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19. «Raha tao anatin’ny fotoana maro nanangonako sy nanatanterahako fampirantiana izay, tsapako fa efa liana amin’io ny Malagasy. Efa maro ny […]