Ambohipihaonan’ny mpikatroka fanatanjahantena sy ny kolontsaina i Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC), amin’izao fotoana izao. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny andiany fahasivy amin’ny lalao ho an’ireo firenena mampiasa ampahany na manontolo ny teny frantsay, tao amin’ ny Stade des Martyrs, kianja lehibe indrindra eto Kinshasa. Toy ny […]
kolon-tsaina
Lalaon’ny Frankofonia: miisa 20 ny Malagasy mpanakanto handray anjara
Nihaona sy nahazo tsodrano tamin-dRakotondrazafy Lalatiana, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, ny delegasion’ny kolontsaina, izay hiatrika ny lalaon’ny Frankofonia, andiany fahasivy, omaly. Fifaninanana hatao ao Kinshasa, RD Congo, ny 28 jolay 2023 hatramin’ny 5 aogositra 2023 izao. « Adidy sy andraikitra ny fiantsorohana ireto maherifon’ny firenena ireto amin’izao fifaninanana hatrehany […]
CUA – Hetsika ara-kolontsaina: manome hasina sy lanja ho an’ny teny malagasy ny kabary
Miaina ao anatin’ny karazana fiteny isan-karazany ny vahoaka malagasy ankehitriny. Tsy manome lanja ny fiteniny ny ankamaroan’ny olona, raha ny zavatra tsapa. Manampy hanome hasina ny tenim-pirenena, ny fianarana kabary. Mikarakara hetsika fampianarana kabary sy kilalao malagasy maimaimpoana ny eo anivon’ny fitaleavana misahana ny haikanto, kolontsaina ary ny fiainam-piarahamonina eo […]
« Lecture en rire »: hanitarana ny sain’ny ankizy sy ny tanora
Ahitana hetsika “lecture en rire” indray mandeha isam-bolana, alarobia faharoa amin’ny volana, mifandimby isaky ny boriborintany enina, eto Antananarivo Renivohitra. Maimaimpoana ny hetsika, karakarain’ny sampandraharaha misahana ny haikanto sy ny kolontsaina ary ny vaky boky eo anivon’ny CUA. Nanomboka tamin’ity volana jolay ity ary haharitra hatramin’ny volana desambra ho avy […]
Akademia Malagasy: hikatona ny taom-piasana 2022 – 2023
Hofaranana, rahampitso, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina, eny amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza ny taom-piasana 2022 – 2023. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana fizarana voalohany ny fanolorana ny loka tamin’ny fifaninanana famoronana sorakanto nampanaovin’ny Foibe momba ny teny, an’ny Akademia Malagasy, nandritra ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Hitazona ny […]




