Production, izay tantanin’ny tale jeneraly Laza Retsanga. Eny Ambodirano Ivato no misy ny foibeny. Hiatrika asa avy hatrany ry zareo. Eo am-panomanana ny horonantsarimihetsika “Anjoria” izy ireo ankehitriny ary hivoaka tsy ho ela ny vokatra, raha ny filazan’i Laza. “Ny hanandratra avo ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy no tanjon’ny Laza Production. […]
kolon-tsaina
Hira vaovao sy taloha : eny amin’ny Le Pave ry Matsubara
Hifanome fotoana amin’ny mpankafy azy sy ny kanto ataony, ny zoma 23 jona ho avy izao, ao amin’ny Le Pave Antaninarenina, ny mpanakanto Matsubara. Ho feno tanteraka ny tarika amin’io fotoana io. Midika izany fa hafana ny “cabaret” hatolotra. “Revy Matsubara ranoiray”, izany hoe, ho re ao avokoa na ny […]
Seho etsy sy eroa…: nanokatra ny “Fetin’ny Fahaleovantena” ny “Fetin’ny Mozika”
Efa volon’andro fety! Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fidirana amin’ny fetim-pirenena. Nitohy, omaly, tamin’ny “Fetin’ny Mozika” izany, ary haharitra hatramin’ny 26 jona. Efa nisy tamin’ny faran’ny herinandro. Nalefa mialoha mantsy ny fanamarihana ny “Fetin’ny Mozika”, teny Tanjombato ny sabotsy lasa teo, izay nokarakarain’ny Alliance Française. Nitohy omaly izany, tamin’ny […]
Miaka-bokatra… : nankalaza ny «Fandroana» i Ambahive
Nifarana, omaly, ny telo andro fankalazana ny fomban-drazana antsoina hoe “Fandroana”. Notanterahina tao amin’ny fokontany Nameha, kaominina Ambahive, distrika Manakara ny ivony. Anton’ny hetsika ny fahavitan’ny mosary sy ny fahasahiranana satria miakatra ny voka-bary sy ireo fambolena maro samihafa. Maro ny hetsika nataon’izy ireo nandritra ny fankalazana. Nanatanteraka joro sy […]
“Festival Donabe” : homena lanja ny haikanto
Tontosaina any Antsohihy, manomboka ny 21 hatramin’ ny 23 jolay 2023, ny « Festival Donabe » andiany voalohany. Ny mpanakanto Dadi love, miaraka amin’ny mpiara-miombona antoka aminy sy ny tomponandraikitra ara-panjakana any an-toerana no mikarakara izao hetsika lehibe izao. Seho ara-kolontsaina sy fifaninanana maro no hameno izany fotoana hanaovana ny hetsika izany. […]




