kolon-tsaina

Ireo mampateza ny sanganasany: namoaka ny tsiambaratelony i Henri Ratsimbazafy

Andrarezin’ny hira malagasy. Henri Ratsimbazafy, mpamoron-kira, mpihira, mpitendry zavamaneno… Hita ao aminy avokoa ny tontolo ananan’ny hira. Am-polo taona maro, mbola indreo fa re eo am-bavan’ny olona hatrany ny sanganasany… Gazety Taratra (*): Tany amin’ny taona firy i Henri Ratsimbazafy no niditra teo amin’ny tontolon’ny hira ? Henri Ratsimbazafy (-): Fahiny, […]

Hira sy fitoriana: hiatrika seho roa ny Tanora masina Itaosy

Amin’ny maha zanaky ny Fiangonana Loterana Malagasy ny Tanora Masina Itaosy. « Miombom-peo amin’ny Foibe FLM izahay, manentana sy manasa antsika mpino FLM rehetra hiaraka hiombom-bavaka eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny Alahady 10 septambra izao manomboka amin’ny 8ora sy sasany maraina », hoy ny fampitam-baovaon’ny Tanora Masina Itaosy. Amin’ny 2 ora tolakandro, […]

Kitra: lasan’ny Sandratra ny amboara

  Tontosa, omaly, teny amin’ny Kianja Santilo Anosizato ny fihaonana baolina kitra teo amin’ny Havàtsa-Upem sy ny Faribolana Sandratra.  Norombahin’ny Faribolana Sandratra avokoa ny fandresena. Sokajy lehilahy, resin-dry zareo tamin’ny isa 2 – 1 ny Havàtsa-Upem, raha 1 sy 0 kosa teo amin’ny sokajy vehivavy. « Tratra ny tanjona. Tsy ny […]

Nirhy-Lanto 100 taona: nifarana omaly ny hetsika fampahafantarana

Tontosa omaly, teny amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny fampirantiana fampahafantarana ny momba an’i Nirhy Lanto, poeta. Ny avy eo anivon’ny Tranombokim-pirenena, miaraka amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no nikarakara ny hetsika,  tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-100 taona nahaterahan’ity andrarezin’ny haisoratra malagasy ity. Ny hetsika fampahafantarana ity mpanoratra […]