Mitohy hatrany ireo seho an-tsehatra tafiditra ao anatin’ny hetsika « Fetin’ny mozika ». Toerana maro no ahitana izany. Iray amin’ireny ny etsy amin’ny IFM Analakely, anio. Fitendrena piano, mozika rap, tononkira mientana… Hanana endrika samy hafa kanefa mifameno amin’ny maha mozika azy ny seho hotontosaina anio, etsy amin’ny Institut Français Madagascar (IFM) […]
kolon-tsaina
Rovan’i Madagasikara: mariky ny fandresena ny fisokafany indray
Tao Anatirova no nananganana ny saina fotsy… Nanamarika izany ny taona 1897 fa resy ary lasa zanatany frantsay i Madagasikara. Resy fanindroany indray ny 6 novambra 1995, rehefa ravan’ny afo tanteraka ny Rova. Tafarina ihany kosa anefa, ka midika ho fandresena miezinezina ny fisokafan’ny Rovan’i Madagasikara indray. Araho ny tantara… […]
Fanja Andriamanantena : «60 taona ny mozikako»
«Hay moa efa nisy fotoana nahavoa mafy ity feoko ity, satria tsy nampiasaiko loatra. Tsy dia nihira intsony aho. Dia teo vao tsaroako, fa hay moa tsy azo ny mandevin-talenta nomen’Andriamanitra ?», hoy i Fanja Andriamantena, tao anatin’ny pejy ifaneraserany amin’ny mpankafy ao anatin’ny tambajotran-tserasera Facebook. Mazava loatra ny dikany fa […]
Tontosa ny fanadinana : hamoaka mpampianatra fito ny Valiha Académie
Tontosa ny sabotsy 17 jona teo, teny amin’ny Lycée privé Daniel, Andravoahangy ambony, ny fanadinana ho an’ ireo mpianatra valiha eo anivon’ny Foibe fikarohana sy fampianarana Valiha Académie. Fantatra taorian’ity fitsapam-pahaizana ity fa ny mpiadina 7 mianadahy (6 lehilahy, iray vehivavy) no hivoaka ho mpampianatra amin’izy ireo. Anisan’ny nanadinana ny […]
Fisokafan’ny Rovan’i Madagasikara : maro sahady ireo nitsidika nandritra ny andro voalohany
Ankoatra ny maha andrin’ny tantaran’Antananarivo manokana sy i Madagasikara amin’ ny ankapobeny, toerana mahasarika ny vahiny sy ny tompon-tany koa ny Rova. Mitoetra ny maha fampahafantarana ny tantara azy. Tsindrindaona te hahita ny ao anatiny… Nirohotra maro ireo nanam-panirina ny hitsidika ny Rovan’i Madagasikara, omaly, andro voatondro isokafany voalohany ho […]




