Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy, tetsy Andohatapenaka, teny amin’ny Canal olympia, ny sabotsy teo, ny horonantsary Amerikana: “The chosen”, izay nadika tamin’ny fiteny malagasy. Andian-tantara nalaina tao amin’ny baiboly, manasongadina ny fiainan’i Jesoa Kritsy nanomboka teo amin’ ny faha-28 taonany sy niarahany tamin’ny Apostoly 12 lahy. Handeha amin’ny fahitalavi-pirenena, manomboka […]
kolon-tsaina
CUA – Tropy Jeannette : nahaliana ny tanora ny nilalaovana ny tantara « HM »
Ho an’ny sasany, «sambany». Ho an’ny hafa, «hay ve tahaka izany no atao hoe teatra». Ho an’ny ankamaroan’ ny tanora tonga tetsy anoloan’ny Lapan’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra : «tena liana be izahay. Heverinay fa mitovy amin’ilay tantara nolalaovinay tany am-piangonana…» ! Nahaliana ny tanora ny nilalaovan’ny Tropy Jeannette amin’izao fotoana […]
« mozikara » : mpanakanto 300 nanentana
Raha ny efitrano na ny tokontany malalaky ny AFT Andavamamba no nahazatra hatramin’izay. Tamin’ny alalan’ny “Carnaval Mozikara” indray no nentina nanamarika ny «Fête de la musique», tamin’ity taona 2023 ity. Niainga teo Mandrimena, nandalo an’Andoharanofotsy, tonga teo Tongarivo Tanjombato, izay nolalovan’ny «Carnaval», voasarika ny hijery avokoa. Nahatratra 300 mahery rahateo […]
Rovan’i Madagasikara : miverina misokatra ho an’ny mpitsidika i Manjakamiadana
28 taona aty aorian’ny nahamay azy, tafatsangana ny Rovan’i Madagasikara. Fanambin’ ny filohan’ny Repoblika ny fanarenana izany, raha vao nandray ny fitondrana izy. Notanterahina omaly, ny fanokafana ny Rovan’i Madagasikara, taorian’ ny fanarenana sy fanavaozana azy. Notokanana, niara-dalana tamin’izay koa ny kianja Masoandro, izay fotodrafitrasa vaovao. Nitarika ny lanonana ny […]
Havàtsa-Upem : miditra amin’ny andro fahatelo ny atrikasa
Tontosaina anio, eny amin’ ny foiben’ny Havàtsa Upem, Tahala Rarihasina Analakely, ny atrikasa famoronana tantara foronina. Ny fikambanan’ny Poeta sy ny mpanoratra Havàtsa-Upem no mikarakara ny hetsika. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny teny malagasy. “Anisan’ny fantsona sy fitaovana entina manabe ny tantara foronina ankehitriny. Izany indrindra no tokony […]




