kolon-tsaina

« Programme de participation » : tetikasa dimy nahazo fanohanana avy amin’ny Unesco

Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa « Mise en oeuvre des projets soutenus par le programme de participation 2022-2023 de l’Unesco ». Nosoniavina, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena Anosy, ny fanomezana tohana ho an’ny tetikasa dimy misehatra eo amin’ny tontolo iandraike­tan’ity sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misa­hana ny fanabeazana sy ny kolontsaina ity. Fantatra, araka ny […]

Lalaon’ny Frankôfônia : sokajin-kanto 8 no hifaninanan’ny Malagasy

Efa nivoaka ny lisitra. Taranja valo no handraisan’ny solontena malagasy anjara amin’ny sehatry ny zavakanto, mandritra ny Lalaon’ny Frankôfônia andiany faha-9. Hotontosaina any Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokratikan’i Congo ny lalao, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao. Azo lazaina fa manan-ko hantenaina i Madagasikara amin’ireo sokajy hira, […]

Teatra manakaiky vahoaka : nahazo 12 tapitrisa Ar ho fampitaovana ny Tropy Jeannette

Sokajin-kanto miaina, mitohy ary tsy lefin’ny taona ny teatra. Misedra olana maro, saingy misy mpanohana sy mpankafy hatrany. Porofon’izany ny nahazoan’ny Tropy Jeannette fanohanana amin’ny tetikasan’izy ireo ato ho ato. 6 tapitrisa Ar mahery, avy amin’ny vondron’orinasa Andriantsitohaina sy ny Fondation Sodiat. Fanoha­nana hoan’ny Tropy Jean­nette, mba hanatanterahan’izy ireo ny […]

« Star Tour Tanà » : hanamarihana ny fetim- pirenena

Hahazo ny anjarany amin’ny « Star Tour » koa ny eto Antananarivo. Tao­rian’ny tany Antsirabe, hotontosaina etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ny « Star Tour Tanà », ny 23, 24 ary 25 jona izao. Natao hifanandrify indrindra amin’ny fanamarihana ny fe­tim-pirenena izany, ho fampifaliana ny mpianakavy, raha ny filazan-dry zareo mpikarakara avy ao amin’ny Star, […]

Angom-pikarohana maro no natambatra… : nivoaka ny boky “Loharano nipoiran’ny teny malagasy”

Lanonana tsotsotra fa manan-danja lehibe. Ton­tosa omaly, tetsy amin’ny Canal Olympia Andohata­pe­naka ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoahan’ilay boky “Lo­harano nipoiran’ny teny malagasy”. Boky navoakan’ny minisiteran’ny Kolon­tsaina sy ny serasera izy ity, izay fandravonana ireo angom-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana momba ny tantara sy ny teny malagasy. voka-pikarohana samihafa momba ny niavian’ny teny […]