Teraka ny taona 1923 ary nodimandry ny taona 2004. Na tsy eo intsony aza, homarihina amina hetsika maro ny faha-100 taonan’i Nirhy-Lanto. Rakotonindrina Charles Victor no tena anarany. Solon’anarana maro no efa nosalorany teo amin’ny sehatry ny literatiora: Nirhy-Lantoson, Bruno Rahaingo, Pika Harisoa, Mamy rahanitra, Rado Tiana, sns. Nahafantarana azy […]
kolon-tsaina
Jazz@Tohatohabato faha-12 : « Tafita ny ezaka natao hatramin’izay », hoy i Pépé
Nifarana, omaly, tetsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena, Analakely, ny fampisehoana nanakatonana ny andiany faha-12 amin’ny Jazz@Tohatohabato. « Nody ventiny ny rano natsakaina. Tafita ny ezaka natao tao anatin’izay taona maro nisian’ny Jazz@Tohatohabato izay. Nety ny natao. Ity no andiany be olona indrindra. Afa-po izy ireny. Nivelatra be ny jazz », hoy i Pépé Raveloson, avy […]
Misaona ny kanto malagasy : nodimandry i Tiana Andrianaina
Mpihira, mpitendry sy mpampianatra zavamaneno, mpikaroka… Fantatra, omaly, fa nodimandry i Tiana Andrianaina andrarezin’ny hira malagasy. Taona 1980 ka hatramin’ny taona 1990 no tena nampamirapiratra azy teo amin’ny zavakanto. « Any an’ala », « Miràna », « Korana », hira anisan’ny nahafantarana ny tarika Tiana Andrianaina. Izy no iray amin’ireo nanana fahasahiana lehibe nitondra zava-baovao amin’ny […]
Tarika Rebika : nitotorebika sy afa-po ny mpankafy
Fotoana mamy, niarahan’ny fianakaviamben’ny tarika Rebika omaly, teny Antsahamanitra. Fotoana nanehon’ny tarika ny mety ho endriky ny fankalazana ny faha-35 taonany. Tontosa omaly, teny Antsahamanitra ny fampisehoana goavana, nataon’ny tarika Rebika. Tonga maro niara-paly tamin’izy ireo, tamin’izany, ireo mpankafy marobe. “Tatasika an-tsehatra”, io no anarana nentin’ny fampisehoana. Fotoana lavalava no […]
FJKM – Tantara : manan-taranaka velona Ambohimamory
Vohitra manantantara eto Imerina. Anisan’ireny ny fiangonana FJKM Ambohimamory Malala Orimbato. Hoporofoin’ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana ary ireo sakaizany fa misy sy velona ry zareo sy ny vohitra nipoirany ary ny fiangonana nanabe azy. Rahampitso alahady, amin’ny 8 ora sy sasany, fanompoam-pivavahana tokana. Fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Anisan’ny hisongadina […]





