kolon-tsaina

Vahaolana mahomby : omena vahana ny ankizy

Jona, volana mampifamatotra ny tantaram-pirenena, ny fitiavan-tanindrazana, ny an­kizy, ny teny malagasy, sns. Fotoana ahafahana manararaotra ny fampiainana sy fampahafantarana ny ankizy ny hasina ananan’ny teny malagasy. Tao anatin’ny taona 15 teo ho eo, nahazo vahana fatratra teto Madagasikara ny fampiasana ny teny vahiny ho teny hoenti-mampianatra. Ve­ry sy takona […]

Fi.Mpi.Ma 60 taona: hitohy amin’ny « Kabary Tours » ny « Sahobin’ny mpikabary »

Fikambanana zokiny indrindra amin’ny fanandratana ny hasin’ny kabary malagasy. 60 taona ny Fikamban’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma). Tsy ho lalovam-potsiny io vanim-potoana io fa hisy ny hetsika mitohy. Tontosaina, anio, ao amin’ny Carlton Madagas­car etsy Anosy, ilay hetsika lehibe « Sahobin’ny mpikabary », hotanterahin’ny Fi­kambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi. Ma). Manomboka amin’ny […]

Teatra manakaiky vahoaka…: holalaovin’ny Tropy Jeannette etsy Analakely ny “HM”

Tsy an’ny antitra irery! Efa voaporofo fa maro ny tanora no liana amin’ny teatra, ary maro koa ireo mpisehatra amin’izao fotoana. Vitsy kosa anefa ny seho teatraly ary vitsy toa izany ny toerana ahafahan’ny tropy milalao. Tsy nataon’ny Tropy Jeannette ho sakana izany hatramin’izay, fa nitady hevitra hatrany izy ireo hampitiavana sy […]