Niakatra, raha oharina amin’ny mandavan-taona, indrindra tato anatin’ny 2 taona farany, ny isan’ny ankizy sy tanora liana amin’ny haikanto sy kolontsaina samihafa, ao anatin’ izao fialantsasatra izao, araka ny voalazan’ny tomponandraikitra isaky ny ivontoerana. Nitombo isa ny mpikambana na mpianatra eny anivon’ny ivontoerana kolontsaina sy fianaranana zavamaneno sy dihy anatin’izao […]
kolon-tsaina
« Lecture en rire » : tanjon’ny hetsika ny hanabe sy hampiala voly
Tontosa, omaly, teny Ambanidia, tao amin’ny boriborintany faharoa ny hetsika, « Lecture en rire”. Hetsika karakarain’ny fikambanana Be Tige sy ny Gasy Stand-Uppers, miaraka amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny DACVC. Vaky boky nolaroina hatsikana niarahana tamin’ny mpanao hatsikana ao amin’ny Be Tige sy Gasy Stand Uppers ny hetsika raha tsiahivina. […]
Hira evanjelika : tonga an-tanindrazana ny Ny Mino
Tarika mivohy ny hira evanjelika anisan’ny manana ny maha izy azy any ivelan’ny Nosy. Mandalo eto an-tanindrazana ankehitriny izy dimy mianadahy mandrafitra ny Groupe Ny Mino. Tsy matetika ny ahitana azy ireto manatanteraka seho eto an-toerana fa saika amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera no ahafahana miaina sy manaraka ireo hira evanjelika sy […]
Jazz@Tohatohabato – « Jazz Kids » : nahatafita hafatra ireo zoky mpilalao jazz
Nosokafana, omaly, tao amin’ny Ivokolo Analakely ny fampisehoana voalohany amin’ny « Jazz@Tohatohabato ». Ireo kilonga voasokajy ao anatin’ny « Jazz Kids » no nanatanteraka izany. Nitendry ny vatamaroafitsoka i Mamy Robinson. Ny zanany vavy no nihira ny « Manin-te hody ». Niakatra ny sehatra ry zareo ao amin’ny Jazz Club CGM, tazana teny an-toerana i Pépé, […]
Na tsy nisy aza ny soratra : nifampatoky ny Malagasy
Izay voasoratra dia voasoratra ! Fehezanteny manambara ny lanjan’ny soratra amin’izao vanim-potoana izao. Tsy azo hivadihana na hodian-tsy hita, fa manana hery matanjaka hoenti-mifampifehy. Ireo sehatra nampiasana azy rahateo mametraka sahady io lanjany io. Nanoratana ireo didy aman-dalàna ifampifehezana. Tahaka izany ihany koa ny fifanarahana isan-karazany, fifampivarotana, fananganan-jaza, sns. Na […]





