kolon-tsaina

Mpanakanto iraisam-pirenena : hanolotra seho tokana ho an’ ny Malagasy i Maître Gims

Tombony lehibe ho an’ny haikanto malagasy ny fanatontosan’ny vahiny mpanakanto fampisehoana eto Madagasikara tahaka izao. Fotoana ahafahana mivelatra sy maneho ny maha izy ny kanto malagasy izany. Tontosa, omaly talata, teny amin’ny Galaxy An­draharo, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny momba ny fampisehoana hotontosain’i Maître Gims eto Madagasi­kara. […]

Madagascourt Film Festival : misokatra ny andiany faha-18

Efa misokatra ho an’ny manam-pikasana handray anjara amin’ny « Madagas­court Film Festival”, andiany faha-18, ny fandraisana anjara. Ity hetsika lehibe ho an’ny horonantsarimihetsika malagasy ity izay hotanterahina ny 18 hatramin’ny 26 novambra 2023. Ny 23 jolay 2023 ny fara fisoratana anarana amin’izany. Mizara efatra ny sokajy ahafahana mandray anjara amin’ny fifaninanana mandritra ny “Madagascourt Film Festi­val” andiany […]

“Fady kambana” : hetsika miaro ny zon’ny ankizy

Tontosaina eny amin’ny Institut Français de Mada­gas­car, IFM Analakely ny fampirantiana sary mampahafantatra ny momba ny fomba malagasy, fitaizana kambana. Mitondra ny lohateny hoe “Fady kambana” ity fampirantiana ity. Ma­nom­boka anio ary tsy hifarana raha tsy ny 30 jona 2023 ny hetsika. Tanjona ny hampahafantarana izany fomba malagasy izany. Tafiditra […]

Erick Manana –Ralah Trio: “Tsy mitovy vanim-potoana fa nampiarahin’ny mozika”

Naharitra telo volana ny andiam-pampisehoana nataon-dry zalahy tany ivelany. Hofaranan-dry Erick Manana sy Ralah Trio eto an-tanindrazana izany, hanehoan’izy ireo ny endriky ny mozika nateraky ny fampiarahana talenta. “Niahiahy ihany aho tany am-boalohany…Ho voarain’ny mpankafy ve ity fiarahanay ity? Tsy hampatahotra ny mpankafy ve hoe ho lasa jazz? Saingy nirosoanay ilay […]

Miss Maman 2023 : voalohany i Zafindrasoa Elisoa

Tontosa ny 3 jona 2023, teny amin’ny Residences Andrianirina Ivato, ny dingana famaranana tamin’ny fifaninanana «Miss Maman Ma­da­gascar 2023», andiany Mamiratra. Fifaninanana na­ne­hoan’ireo reny ny fahaizany sy ny hatsarany. Zafindrasoa Elisoa Murelle no nahazo ny laharana voalohany tamin’ity andiany ity. Fahalalana ankapobeny sy tetikasa no nen­tin’ireo mpandray anjara 24 mirahavavy […]