kolon-tsaina

Fanandratana ny teny malagasy : hanome lanja ny tantara foronina ny Havàtsa-Upem

Raha oharina amin’ny asa soratra hafa, vitsy kokoa ireo mpanoratra mirotsaka amin’ny fanoratana tantara foronina. Ho fanarenana izany, sady famohazana talenta, hanatanteraka atrikasa ny Havàtsa-Upem. Volana jona, iray volana hanandratana ny teny malagasy, ho an’ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy na ny Havàtsa-Upem. Hanatante­raka atrikasa momba ny tantara foronina […]

Analamanga Park : nampirevy ry AmbondronA sy ’Zay

Eny, « nampirevy » mihitsy no mahalaza azy. Seho niavaka no nentin’ny Star nanamarika ny fiovana endrika teo amin’ny zava-pisotro “Fresh”. Efa ela naniriana, saingy izay vao tafaraka tamin’ny sehatra iray mantsy ny tarika ‘Zay sy ny tarika AmbondronA. “Nampi­revy” ara-bakiteny izy ireo, teny Analamanga Park, omaly. Fitsangantsanganana hoan’ny mpianakavy kokoa, saingy […]

Fiaraha-miasa amin’ny mpanakanto : anisan’ny masoivohon’ny Telma i Dadi Love

Mpahay kanto, masoivohon’ny orinasam-pifandraisana Telma ihany koa i Ra­jaosalama Stéphanoelson Her­vé na Dadi Love, manomboka izao. Nisy ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, natao teny amin’ny « Campus Telma » Andraharo, ny Zoma 26 mey 2023, nampahafantarana izany tamin’ny fomba ofisialy. Nanatanteraka ny valan-dresaka ireo solontenan’ny roa tonta. « Haharitra roa taona ny […]

Antsavatsava Itaosy : nahazo tombony ny mpankafy ny gadona ankehitriny

Tomefy olona ny kian­jan’ An­tsavatsava Itaosy, omaly, nandritra ny fampisehoana « Lundi de Pentecôte fety be » nokarakarain’ny Art’Ivo. Mpa­hay kanto, mpihira, enina, sa­my manana ny maha izy azy no nampifaly ny olona tonga teny nandritra io fampisehoana io. Teo ihany koa ny fisian’ny mpahay kanto nasaina manokana sy ny mpanao hatsikana, […]

“Feo sy gitara”: nivadika ho “tamboho” lehibe ny Coliseum, omaly

Tarika sy mpanakanto am-polony, samy nametraka tantara tamin’ny “vazo an-gitara” no niray sehatra, omaly. Nanomboka tamin’ireo mpandimby toa an-dry Zandry Gasy ka hatramin’ireo zokiny indrindra toa an-dry Tselonina sy ry Mahaleo izany.  Revy gitara, eny ambony tamboho… Raha hatao kisarisary ilay fampisehoana, omaly, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe dia izay no […]