Seho tokana! Efa nambara fa tsy hanam-paharoa ny “Feo sy gitara”, izay hotontosaina etsy amin’ny Coliseum, ny alatsinain’ny Pantekoty 29 mey izao. Vaovao lehibe hafa koa, afaka misitraka izany ny rehetra, indrindra ireo Malagasy maneran-tany! Fantatra mantsy fa handeha mivantana ao amin’ny www.sehatra.com ny seho, manomboka amin’ny 11 ora, etsy […]
kolon-tsaina
Rock’n’ roll : Nodimandry i Tina Turner
Rehefa nolazoin’ny aretina tao anatin’ny fotoana naharitra. Nodimandry teo amin’ny faha-83 taonany, tao an-tranony (tanana akaikin’i Zurich), ny alarobia 24 mey teo, i Tina Turner. Anna Mae Bullock ny tena anarany. « Mpanjakavavin’ny Ronck’n’roll », kosa teo amin’ny mpitia mozika. Nanomboka ny taona 1960, nisongadina tsikelikely teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fahaizany […]
Raha tena niainana ny teny : tsy tokony ho simba ny fiarahamonina…
Teny no namoronana izao tontolo izao ! Famerimberin’ ny mpikaroka maro io. Misongadina noho ny fananany hasina lehibe kosa anefa ny teny malagasy. Noho io hasina io, vitsy dia vitsy ny Malagasy no sahy niteniteny foana. Sarotra ho an’ny Malagasy ny nanompa na nanozona na nandatsa. Nanome anatra ho an’izay nandia […]
Sakafo Malagasy : tsy tafapetraka intsony ny hasin’ny hanimpitoloha
Ny anarany amin’ny maha hanimpitoloha azy sisa no ahafantarana azy ankehitriny fa efa very tanteraka ny dikany. Sakafo tena nanana ny naha izy azy teo amin’ny Malagasy anefa izany fahiny, ary natao ho fanomezana hasina sy firariana soa ny rehetra. Sakafo fanao amina fety lehibe, tao an-dapa, tamin’ny vanim-potoana faha […]
« Neny miavaka »: haneho ny maha izy ny Reny no tanjona
Mitohy ny fifaninanana «Neny Miavaka», andiany faharoa, karakarain’ny Mpampianatra mpanabe ho amin’ny fanovana Analamanga (MMFA). Tanjona ao anatin’izao hetsika izao ny hanomezana sehatra sy fankasitrahana ny reny mendrika. Ao anatin’ity fifaninanana ity ihany koa no hanehoan’ny reny tsirairay avy ny zava-bitany sy ny fahaiza-manaony. Misy ny fanehoan-kevitra sy fifampizarana fomba […]




