“Pique-nique géant Fresh”. Io no anarana nampisaloran’ny Star ilay hetsika izay karakarain’izy ireo ny alatsinain’ny Pantekoty, 29 mey izao, eny Analamanga Park. “Nanasa ny tarika ‘Zay sy ny AmbondronA, izay tarika samy manana ny lazany izahay, hanafana ny fotoana amin’ io”, hoy ny nambaran-dRamanankoraisina Setra, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika […]
kolon-tsaina
Madagasikara-Nouvelle Calédonie : mitohy ny fifanakalozana ara-kolontsaina
Mitohy ny tetikasa fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’i Madagasikara sy i Nouvelle Calédonie. Eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, mandritra ny 15 andro no hanatanterahana izany. Ny IKM Antsahavola sy ny Centre culturel Goa ma Bwarhat (CCGMB) no misolo tena ny Nosy roa tonta amin’ny fanaovana izany fifanakalozana izany. Efa […]
Hoenti-manana ny tsangambato faha-60 taona : hanatanteraka « Sahobin’ny Mpikabary » ny Fi.Mpi.Ma
Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma) mandia ny faha-60 taona niorenana. Maro ireo hetsika hotanterahina ao anatin’ny fankalazana io vanim-potoana io. Goavana rahateo ny tsangambato haorina… 60 taona aty aorian’ny niorenan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma). Manana vina hanangana foiben-toerana lehibe ity fikambanana zokiny indrindra amin’ ny fikajiana sy fikoloana ary fampivelarana ny […]
Fianarana mozika : hilaza ny heviny i Seta Ramaroson
Nisafidy lohahevitra iray lehibe i Seta Ramaroson, manoloana ny fianarana mozika : « Ampy ve ny fitendreko irery ? Ilaiko ve ny fiarahana mitendry amin’ny hafa » ? Ny zoma 26 mey izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro, ao amin’ny Ivontoerana Miangaly Tsimbazaza no hanatanterahiny ny famelabelaran-kevitra mifandraika amin’izany. Seta Ramaroson, mpampianatra mozika anisan’ny manana […]
Fampirantiana « Antson’ny tontolo miaina » : maneho ny fahasimban’ny tontolo iainana ireo haikanto
Tontosaina eny amin’ny Zone Zital Ankorondrano, ny hetsika « Antson’ny tontolo miaina ». Efa nisokatra ny 20 mey 2023 ny hetsika ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 5 jona 2023. Fampirantiana haikanto maneho ny fahasimbana sy ny olan’ny tontolo iainana no hita ao anatin’izany hetsika izany. Haikanto samihafa, avy amina mpahay kanto […]




