Namiratra i Madagasikara, namiratra ny Malagasy mpanakanto! Nosalorana ny medaly volamena, omaly, i Richianny Ratovo, teo amin’ny sokajy hosodoko . Nanakoako teto amin’ny Musée national de la RDC ny hiram-pirenena malagasy, nampahatsiahy ny valin’ny asa sy ezaka nomban’ny talentan’ny mpanakanto, nifaninana tamin’ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy. « Hay ny tsiky […]
kolon-tsaina
Lalaon’ny Frankôfônia-Mozika : Nosembanin’ny ara-teknika ry Ndaty Lahy
Nanao no tsy nambinina. Tapitra ny lalan’ny Ndaty Lahy taty Kinshasa. Manokatra ny lalan’ny tarika any an-kafa kosa anefa iny. Tsy tafakatra tamin’ny dingana famaranana. Na teo aza ny talenta, tsy niara-dalana tamin’ny tarika Ndaty Lahy ny vintana taty Kinshasa, nandritra ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy, taranja hira, anatin’ny sokajy […]
« Festival Somarôho 2023 »: Feno seho ara-kolontsaina ny hetsika
Tontosa omaly, tany Nosy-Be, ny fanokafana ny « Festival Somarôho » andiany fahafolo, sy ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny tarika Wawa. “Carnaval” lehibe, nanehoana ny mampiavaka an’i Nosy-Be no nanokafana ny hetsika. Vahiny sy teratany malagasy maro no tonga any an-toerana amin’izao fotoana izao. Hetsika ara-koltoraly sy ara-panatanjahantena maro samihafa no hameno […]
Fitantanana ny OMDA : nanao antso avo ny mpanakanto sasany
Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, teny amin’ny Jao’s Pub Ambohipo, ny mpanakanto maromaro, omaly. Ny mahakasika ny fitantanana ny Office Malgache du Droit d’Auteur (OMDA) no noresahin’izy ireo tamin’izany. Nisy koa ny fangatahana maromaro nataon’ireto mpanakanto ireto, anisan’izany ny fandaniana ny lalàna mikasika ny OMDA. “Tsy manohitra an’iza an’iza […]
Frankôfônia zavakanto: ho fantatra ny ankamaroan’ny vokatra
Miandry ny vokatra… Tontosa omaly, ny fanomanana ho an’ireo mpanakanto nifaninana anatin’ny sokajy saripika, sokitra ary hosodoko, anatin’ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy, any Kinshasa, RDC. Na teo aza ny fahataran’ny fitaovana nampanantenain’ny komity mpikarakara, tratran’i Richianny Ratovo ihany ny sanganasa nataony taty an-toerana. Toraka izany koa ny an’i Fitiavana Ratovo […]





