kolon-tsaina

Endrika ivelany sisa : tsy ho ela ny « Fetin’ny Reny »

4 jona, andro tondroin’ny fanisanandro gregoriana fa hanamarihana ny « Fetin’ny Reny » amin’ity taona 2023 ity. Tolorana fanomezana ny reny. Hanehoana fitiavana lehibe sy miavaka raha hampitahaina amin’ny fahita sy iainana andavanandro i Neny, rehefa mandalo io fotoana io. Nivelatra fa tsy nijanona tamin’ireo vehivavy niteraka (na­hi­tana masoandro) ihany koa ny […]

“Tosik’Art”: nisitraka Ivontoeram-pikotrehana orinasa ara-kolontsaina i Bongolava

Mahavelona ary azo hananganana orinasa maro ny sehatry ny zavakanto sy ny kolontsaina. Mila fiofanana kosa ireo hisehatra ao anatin’izany, ka izay no antom-pisian’ireo ivontoeram-pikotrehana orinasa ara-kolontsaina. Efa tafapetraka ny tany Toamasina, Ihosy ary teto Antananarivo. No­tokanana, omaly, kosa ny ivontoeram-pikotrehana orinasa ara-kolontsaina na ny “centre d’incubation” fahefatra, any Tsiroanomandidy, […]

Sandratra Tanambe : “Ôsikalo”, boky sy endri-tononkalo vaovao

Feno 10 taona ny sampan’ny Faribolana Sandratra ao Tanambe, Ambatondrazaka. Anatin’ny fanamarihana iza­ny ireo mpiray faribolana, ka nosantarina tamin’ny famoahana ny “Ôsikalo” izy io, ny faran’ny herinandro teo. Anaran’ny boky, kanefa ihany koa anaran’ny endrin-tononkalo vaovao, vokatry ny fikarohan’i Kelly Randria izy ity. “Tononkalo, elanelanina ôsika kely sady fohy ny […]

Ambohimiandra, Ambohitrimanjaka : hiaka-tsehatra ry Faly, Rakoto, Niravo, Antsaravaka…

Raikitra ny fitetezam-paritra. Hiaka-tsehatra eny amin’ny Ekar Ambohimiandra, distrikan’Ambohitrimanjaka ireo mpilalao tantara an’onjam-peo. Ahitana an-dRakoto, i Faly, i Niravo, i Antsaravaka, ary i Synèse. Hotanterahina ny alahadin’ny Pantekoty izao, manomboka amin’ny 2 ora, eo an-tokotanin’ny fiangonana Md Piera izany. Holalaovin’izy ireo an-tsehatra amin’izany ilay tantara nosoratan’i Ony Mihajanirina, mitondra ny […]