Tsy ny sokajy safidian’ny mpiadina hanala ny fanadinana bakalorea akory dia ampy ilazana fa « tsy manana saina hoenti-miatrika ny taranja Matematika, Fizika sy Simia, SVT… ny Malagasy » ! Tsy io tranga io akory no ilazan’ny sasany fa : « ahiana ny hoavin’i Madagasikara, satria, lasa literera (mirona any amin’ny haisoratra sy fandalinan-kevitra, filozofia…) […]
kolon-tsaina
“Festival Somarôho”: hisy mpanakanto efatra avy any ivelany
Hiditra amin’ny andiany faha-10 ny “Festival Somarôho”. Hanatevin-daharana ireo mpanakanto avy eto an-toerana ry zareo avy any ivelany. Efatra ireo vahiny handray anjara mandritra ny “festival”. Haharitra roa herinandro, manomboka ny 2 jolay-13 aogositra ny festival “Somarôho Océan Indien”, andiany faha-10. Hotanterahina any Nosy-Be Hell Ville, karakarain’ny tarika Wawa ny […]
Tamberina an-kira : ho tafaraka indray i Njila sy i Poopy
40 taona lasa izay! Toa ny vao omaly ho an’ny nanaraka hatrizay, ny nampiakaran’i Njila an-tsehatra ny tovovavy iray, manam-peo miavaka. Nitondra ainga vao ho an’ny tarika Njila i Poopy. Nanosika an’i Poopy nankany amin’ny laza koa izany. 40 taona aty aoriana, mbola ao anatin’ny lazany izy, ka rariny raha […]
60 taona tanaty mozika : nanome voninahitra an’i Fanja A. ireo tanora
«Maman», hoy ny fiantson’ireo tanora mpanakanto akaiky azy. Mahafehy zavatra marobe izay, raha ny fifandraisan’i Fanja Andriamanantena amin’ireo mpanakanto zandriny sy zanany mihitsy aza. Fanomezam-boninahitra ny voalohany indrindra, satria tsy misoritra amin’ny kanton’ity andrarezin’ny mozika ity akory, na dia efa 60 taona aza ny mozikany. Tsy seho fanamarihana tsingerintaona fotsiny, […]
« Lamba forever »; mpahay kanto maro samihafa handray anjara
Ambohipihaonan’ny mpahay kanto, ny eny amin’ny Hakanto Contemporary, manomboka anio. Malagasy sy vahiny mpahay kanto, samy manana ny maha izy azy no hampiranty. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny asabotsy 8 jolay 2023, teny amin’ny Hakanto Contemporary, Ankadimbahoaka, ny fampirantiana «Lamba forever”. Fampirantiana karakarain’ity ivontoerana ara-kolontsaina ity, miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny […]





