kolon-tsaina

“Iray volana ho an’i Gabhy” : famelabelarana ny tohin’ny hetsika

Tontosaina anio eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny hetsika “Ny sora-piainan’i Gabhy”, hetsika tafiditra ao anatin’ny “Iray volana ho an’i Gabhy”. Famelabela­rana sy fampahafantarana ny nodiaviny tamin’ny fiainany no hatao amin’izany. Ny minisiteran’ny Serasera sy ny ko­lon­tsaina, miaraka amin’ny Fikam­banan’ny Mpikanto teny sy soratra malagasy na FMTS no mikarakara ny hetsika. […]

“The Voice Africa” : noraisina an-tanana ny jamba

Manomboka ho hita amin’ny fahitalavitra ny « The Voice Africa » amin’ity volana ity, hahitana ny talentan’ny afrikanina, sady fialamboly. Airtel Africa, iray amin’ireo mpandraharaha amin’ny fifandraisan-davitra sy fikirakirana ara-bola, 14 taona nisy taty Afrika na­nambara fa handrasana io fandaharana io manomboka amin’ny 26 marsa 2023. Mpanohana ny fandaharana ny Airtel Africa […]

Fifaninanana literatiora : navoaka ho boky ny sanganasan’ireo mendrika

Nomarihina omaly 21 marsa ny Andro maneran-tany ho an’ny poezia. Maro ireo hetsika nentina nanamarihana izany. Niavaka kosa ny lanonana tetsy amin’ny Tranom­bokim-pirenena Anosy, satria nampahafantarina omaly ny fivoahan’ireo boky, sanganasan’ireo mendrika, indrindra tamin’ilay fifaninanam-pirenena momba ny literatiora. Nentina nanamarihana ny «Iray volan’ny teny malagasy» ny volana jona 2022 ny […]