Feno zato taona amin’ity ny nahaterahan’Andriamantena Georges na i Rado… Tsy avelan’ny fianakaviany akaiky sy ny fianakaviamben’ny zava-kanto amin’ny ankapobeny handalo fotsiny izany, fa homarihina ho fanomezam-boninahitra ity andrarezin’ny literationa, nanamarika vanim-potoana maharitra ity. Nosokafana omaly, ny fankalazana, tao amin’ny efitrano Rado ao amin’ny Tranombokim-pirenena, Anosy. Rariny loatra satria toerana […]
kolon-tsaina
Mila ovaina ifotony : ratsy taiza ny zaza malagasy
Mpampianatra, ray aman-dreny, raiamandreny mpitarika, mpitondra… Mpitaiza sy mpanabe avokoa ! Izy ireo no loharano hanovozana ny fahalalana, fahendrena, soatoavina, fomba amam-panao, sns. Ireo rehetra ireo anefa no tsy ampy eo amin’ny zaza malagasy ka ilazana azy ireny ho ratsy taiza. Mila ovaina ifotony ny fanabeazana sy fitaizana misy amin’izao vanim-potoana […]
Fanandratana ny teny malagasy : hanome lanja ny tantara foronina ny Havàtsa-Upem
Raha oharina amin’ny asa soratra hafa, vitsy kokoa ireo mpanoratra mirotsaka amin’ny fanoratana tantara foronina. Ho fanarenana izany, sady famohazana talenta, hanatanteraka atrikasa ny Havàtsa-Upem. Volana jona, iray volana hanandratana ny teny malagasy, ho an’ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy na ny Havàtsa-Upem. Hanatanteraka atrikasa momba ny tantara foronina […]
Analamanga Park : nampirevy ry AmbondronA sy ’Zay
Eny, « nampirevy » mihitsy no mahalaza azy. Seho niavaka no nentin’ny Star nanamarika ny fiovana endrika teo amin’ny zava-pisotro “Fresh”. Efa ela naniriana, saingy izay vao tafaraka tamin’ny sehatra iray mantsy ny tarika ‘Zay sy ny tarika AmbondronA. “Nampirevy” ara-bakiteny izy ireo, teny Analamanga Park, omaly. Fitsangantsanganana hoan’ny mpianakavy kokoa, saingy […]
Fiaraha-miasa amin’ny mpanakanto : anisan’ny masoivohon’ny Telma i Dadi Love
Mpahay kanto, masoivohon’ny orinasam-pifandraisana Telma ihany koa i Rajaosalama Stéphanoelson Hervé na Dadi Love, manomboka izao. Nisy ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, natao teny amin’ny « Campus Telma » Andraharo, ny Zoma 26 mey 2023, nampahafantarana izany tamin’ny fomba ofisialy. Nanatanteraka ny valan-dresaka ireo solontenan’ny roa tonta. « Haharitra roa taona ny […]





