Hanatanteraka ny fampanantenana nataony ny Quatuor Squad. 14 marsa 2023, nahasarika olona maro be ny fampisehoana nataon’izy efatra mirahalahy niaraka tamin’i Tohy Ramaroson (contrebass), tao amin’ny Institut français de Madagascar, etsy Analakely. Taorian’io : « manome toky anareo izahay fa hanatanteraka seho any amin’ ny sehatra lehibebe kokoa », hoy ny Quatur Squad. […]
kolon-tsaina
Sokaf’hehy : maka toerana ny Stand-up
Tontosa ny alarobia 15 marsa 2023, teny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely ny hetsika “Sokaf’hehy”. Ny vondrona Sandix no mikarakara ny hetsika miaraka amin’ny mpanao Stand-up. Eo ihany koa ny CGM, izay miara-misalahy amin’ny rehetra ho fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny fitaizana ny tanora. Tanjon’ny mpikarakara ny hetsika, amin’ny ankapobeny […]
Kolontsaina maroloko : hiverina indray ny “Festival Miaraka”
Hisy indray ny hetsika anisan’ny manana ny maha izy azy, ahafahan’ny mpahay kanto sy mpandala kolontsaina samihafa miara-maneho ny kantony sy ny kolontsaina amina fotoana iray. Tafaverina ny hetsika rehefa tsy nisy tao anatin’ny fotoana vitsy, tokony hisiany. Hotontosaina ny 3 hatramin’ny 8 avrily 2023, eny amin’ny Alliance Française Andavamamba […]
Henry Ratsimbazafy 90 taona : hahazo laka ireo hira efa fantatra
Anisan’ny nisongadina tamin’ny tafa nifanaovan’ny mpanao gazety tamin’i Henry Ratsimbazafy, omaly, ny nilazany fa maro ireo mpanakanto efa niara-nihira taminy. Misy amin’ireo no ho avy eny amin’ny CCEsca Antanimena, mandritra ilay seho hotanterahina ny 2 avrily izao. Tsy hisy ny hira vaovao hokaloina fa hahazo laka ireo hira efa fantatry […]
Hetsika “Songadina” : mahaliana ny Malagasy ny kolontsainy
Tontosa ny talata 14 marsa 2023, teny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy na IKM Antsahavola, ny atrikasa mahakasika ny dihy “Baohejy”. Tafiditra ao anatin’ ny hetsika “Songadina” fampahafantarana ny kolontsaina sy fomba amam-panao mampiavaka faritra sy faritany iray izy ity. Ny faritanin’i Mahajanga sy ny faritra Sofia no nampahafantarina teto. “Kolontsaina […]




