Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo, Aft Andavamamba, ny fampirantina sary ataon’i Toni Haddad. “Voyages des déchets” no lohahevitra hovoizina mandritra ity hetsika ity. Fiaraha-miasan’ny Aft Andavamamba sy ny WHH Madagascar- Welthungerhilfe ary ity mpaka sary ity no nahatanterahana an’izao fampirantina izao. Mandritra ny 8 andro […]
kolon-tsaina
Tendry gasy amin’ny piano : hanao « Atrikefa » i Tantely R.
Mitohy hatrany ny hetsika karakarain’ny Sehatra Ba Gasy. Fantatra fa ny 4 marsa izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no hanatanterahin’i Tantely Ramaromiantso mivady ny «atrikefa». Lohahevitra hazavain’izy ireo amin’izany «Ny fomba fitendry piano tendry gasy». Hisy hatrany ny hira handravaka ny eny antsefantsefan’ny fanazavana. Mitohy avy hatrany […]
Fanarenana NY teny malagasy: manana anjara andraikitra ny mpanao literatiora
Famerenan-kasina ny teny Malagasy… Samy miezaka ny amin’izay ny ankolafy rehetra voakasiky ny sehatra. Nafana ny adihevitra teo amin’ireo mpikatroka, omaly. Tontosa ny alarobia 1 marsa 2023, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny velakevitra nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Ny tsy fahafehezana ny teny malagasy ao anaty literatiora”. Hetsika fanaon’ny fikambanana Famoloana […]
Literatiora : mitohy ny velakevitra momba ny teny malagasy
Tanterahina ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ao amin’ny efitrano Dox, ny velakevitra momba ny teny malagasy. “Ny tsy fahafehezana ny teny malagasy ao anaty literatiora” io no lohahevitra hovelabelarina mandritra izany. Ratsimbazafy Heriarilala, mpandala ny teny sy ny literatiora malagasy no hitarika izany. Ny fikambanana famoloana Telozoro no mpikarakara. Hetsika tanterahina […]
Ratovo Valiha : « Tsy vitan’olon-tokana ny fampivelarana ny valiha »
Iray amin’ireo andrarezina amin’ny fitendrena sy fikarohana momba ny valiha, Ratovo Valiha. Toerana sy sehatra ary firenena maro no efa nanehoany ny talentany sy ny voka-pikarohana vitany. Nilaza ny heviny momba ny fomba hoenti-manapariaka sy mampivelatra ny tontolon’ny valiha izy, omaly. «Tsy vitan’ olon-tokana ny fampivelarana ny tontolon’ny valiha», hoy […]




