kolon-tsaina

Guylaine Clerv, Talen’ny Virgin Music Africa : «Resy lahatra aho fa hisongadina ny mozika malagasy»

Nandalo teto Madagasikara i Guylaine Clerv, talen’ny Virgin Music Africa. Nampahafantatra ny fiaraha-miasa eo amin’ity orinasa tantanany sy ny Universal Music Africa ary ny Renala Music izy, ny zoma teo. Fotoana izay nitafana fohy tamin’ity manam-pahaizana momba ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ity. Dinidinika. Gazety Taratra(*) : Ma­toa tonga eto ianao, […]

IFM Analakely : manomboka ny “Festival Zaza Mifety”

Nosokafana ny asabotsy 25 febroary 2023, teny amin’ ny Institut Français de Ma­dagascar na IFM Analakely ny hetsika lehibe “Zaza Mifety” andiany voalohany. Mandritra ny herinandro no hanatanterahana ity hetsika lehibe ity. Hetsika maro ny handravahana ny “Festival Zaza Mifety”. “Tanjon’ny mpikarakara ny hamokatra hetsika ho an’ny ankizy, ny sahala […]

Hatsaram-bika sy tarehy : ho fantatra ny mpandray anjaran’ny Miss Madagascar 2023

Taorian’ny fotoana lava niandrasana ny fifaninanana, nanambara ny tomponandraikitry ny “Miss Madagascar 2023” fa ho fantatra amin’ity anio ity ny anaran’ny mpandray anjara rehetra amin’ny fifaninanana. Ny “Miss Ma­dagascar 2023” no hahafantarana izay hisolo tena antsika amin’ny “Miss World”. Hanomboka tsy ho ela, araka izany, ny fifaninanana “Miss Madagascar 2023”. […]

Ortana 2023 : «Volana iray, tsidi-bohitra iray»

Io no namaritan’ny Ofisim- paritry ny fizahatany eto Analamanga (Ortana) ny fandaharam-potoana arosony ho an’ny mpizahatany amin’ity taona 2023 ity. «Volana iray, tsidi-bohitra iray», miainga ny volana marsa izao ka hatrany amin’ny volana desambra, hahatratra 10 ny tsidi-bohitra hotanterahina eto Analaman­ga. Nampanarahina lohahevitra tsirairay ny fitsidihana isam-bohitra. Nokendrena amin’izany ny […]

« Application de streaming »: «Moozik » sy « Digster », hanova ny fanjifana mozika eto Madagasikara

Ao aloha kely ao ny fandrosoana ho an’ny tsenan’ny mozika malagasy. An-dalana mankany ny fisian’ireo « applications de streaming » mifanaraka amin’ny tolotra sy ny tinady misy eto. «Inona ny fomba ma­homby indrindra, ha­hazoana vola amin’ ny mozika ?». Izay ny lohahevitry ny fihaonana nanasana mpanakanto maro sy mpisehatra eo […]