Hotanterahina ny asabotsy 25 febroary 2023, eny amin’ny Kinga, trano fisakafoana, eny Mahamasina ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Slamis. Vondrona iray miorina eo anivon’ny oniversite U-magis Masina Misely Amparibe, miangaly ny Slam Poésie ny Slamis. Tanjona ny fampivondronana ny tanora mpianatra eo anivon’ity sekoly ity, tia sy mankafy Slam. […]
kolon-tsaina
40 taona an-tsehatra: manomana seho eto an-tanindrazana i Mam’Rakoto
Iray amin’ireo mpikambana fototra tao amin’ny tarika Njila no tena nahafantarana azy… Nanana ny lalany manokana teo amin’ny mozika kosa i Mam’Rakoto, na dia tsy nipetraka teto an-tanindrazana aza. Fantatra fa mandalo eto kosa izy, ary efa niaka-tsehatra nandritra ny lanonana tao amin’ny groupe éducatif Aceem, ny 10 febroary teo. […]
Haikanto Malagasy: hisy ny fampirantina ho an’i Razakaratrimo Zo
Hetsika goavana no atolotry ny Fondation H, ho an’ny mpanaraka azy, sy ny mpankafy haikanto Malagasy, indrindra ny tontolon’ny fanenomana. Hisy ny fampirantina lehibe karakarain’ity ivontoerana ity ho fanomezam-boninahitra sy fahatsiarovana ny mpahay kanto mpanenona, Razakaratrimo Zoarinivo na Madame Zo. Eny amin’ny Ivontoerana vaovaon’ny Fondation H, eny Ambatomena no hanatanterahina […]
Lahabolana sy ny fivoarany: mbola miteraka resaka maro ny kabary atao amin’ny fiteny vahiny
Mihazakazaka be ny fiovan’endriky ny lahabolana am-bava amin’izao vanim-potoana izao. Iray amin’ireny ny kabary izay efa manomboka mivelatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manana ny mampiavaka azy anefa io kolontsaina malagasy io, hany ka miteraka resaka maro ity lazaina ho fivoarana ity… Iray amin’ireo kolontsaina malagasy faheno manerana an’i Madagasikara ny […]
Maro ny sekoly handray anjara : 22 marsa ny Taombaovao Malagasy
Ny 21 marsa amin’ny 8 ora sy 24 mn alina no tsinana ao amin’ny antokon-kitana alahamady ny volana. Ny 22 marsa, andro voalohany amin’ny volana alahamady. Alahamady, volana voalohany amin’ny taona. Fantatra fa amin’io andro io no hankalazana ny Taombaovao Malagasy, ho an’ity taona ity. Fotoana fahavokaran’ny vary, mampiakatra ny […]




