Nampahafantarina ny rehetra nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny momba ny fiverenan’ny « AF Mobile ». Tanjona amin’ izao ny fanatonana ifotony ny vondron’olona tilin’ny Alliance Française. Miaraka miasa hatrany amin’ny mpiray ombona aminy hatrany ity ivontoerana ity ao anatin’izao tetikasa izao. Tao anatin’ny roa taona tsy nihetsehan’ny “AF Mobile”. […]
kolon-tsaina
Faran’ny herinandro: hiaka-tsehatra ry JôBee
Mifamontoana amin’ireo mpitia ny fomba fihirany sy ny fahaizany manafana sehatra indray ry JôBee, ny zoma 24 febroary izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva, etsy amin’ny Le Zoma Faravohitra. Mpanakanto efa tsy zoviana amin’ny maro intsony ireto andriambavilanitra ireto, indrindra fa any Toamasina sy ny faritra atsinanan’ny Nosy. Misehatra amina […]
Nahazo ny “Master en guitare jazz”: nikaroka momba ny fitendry marovany i Joel Rabesolo
Anisan’ireo mpitendry gitara misongadina amin’ny jazz i Joel Rabesolo. Tsy mitsahatra ny mikaroka ny mozika ankapobeny, indrindra ny tendry gitara maka faka Malagasy izy. Nisongadina izy tany amin’ny taranja basikety… Fa mbola nisongadina kokoa i Joel Rabesolo taty amin’ny mozika, indrindra ny fitendrena gitara. Nampiavaka azy hatramin’ny fahakeliny ny fifehezany […]
« Ireny hirantsika ireny… » : hotsaroana eny an-tsehatra i Gabhy
Efa andrasan’ny olona maro fatratra! Raikitra fa hotanterahina, ao amin’ny CCEsca Antanimena ny 4 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ilay seho an-tsehatra ho fahatsiarovana an’i Gabhy. “Ireny hirantsika ireny…”, hiarahana amin’ny tarika Gabhy sy ireo tanora tia ireo hira nokaloiny, ireo sakaizan’ny tarika Kintana Telo, Ny Rabarivola ary […]
Egm Madagascar: mifarana ny atrikasa momba ny tsapiky
Tontosaina anio, eny amin’ny G&V inn, Andrefan’ Ambohijanahary, ny hetsika “Gitara Malagasy”. Fampisehoana hanehoan’ny mpianatra niatrika ny atrikasa nandritra ny roa andro. Hetsika vaovaon’ny EGM-Conservatoire de musique, nanomboka tamin’ity taona ity izy ity. Tanjona ny fampitomboana hatrany ny fahaizana sy fahafehezan’ny Malagasy ny gitara. Tamin’ity volana ity, ny tsapiky sy […]




