kolon-tsaina

Asa mahakasika ny zavakanto : Maro ireo tanora te ho matihanina

Tsy ny mpanakanto irery, fa maro ireo mpisehatra amin’ny zavakanto. Misy asa maro mitaky olona matihanina anatin’izany, ary misy rafitra ihany koa. Tsy mbola tsara petraka anefa io eto amintsika, ka matetika mbola tsy tratra ny fenitra takina amin’ny hetsika ara-javakanto isan-karazany. Ho fitadiavam-bahaolana amin’izay sy hanokafana ny sehatrasa manodidina […]

Raboussa : “Hotetezina an-kira ny 25 taona an-tsehatra”

Raboussa irery, hatreto, ny tarika mpanao rap nahazaka irery ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Haverina indray izany fanamby izany, ho fanamarihana ny 25 taona an-tsehatra. Taona 1997. Nampiboi­boika ny aingam-pana­hin’ireo mpanao rap tamin’izany, hampiakatra avo ny Hip hop sy ny tontolony. Nisy ireo namaky lay, ary anisan’ny nanaraka voalohandohany tao Raboussa. […]

TARATRY ny KANTO

Efa misokatra ny fisoratana anarana, ho an’izay liana amin’ilay fifaninanan-kira kristianina, “The next voice”. Ho an’ny tanora 18 hatramin’ny 30 taona izy ity, ka ho an’olon-tokana ihany fa tsy tarika na antoko mpihira. Manomboka ny 6 jona hatramin’ny 30 aogositra izao ny fifanintsanana. Ny Colarys Messenger of Jesus sy i […]

Fampisehoana hatsikana: Hiverina indray ny “Fetin’i Maman’ty!”

Taona 2012, anisan’ny rakitsary be mpankafy sy nahasarika indrindra ny mpankafy ny “Vavaka ho anao ry Neny”, hiran-dRamy Franck, novelomin’ireo mpanao hatsikana. Nitondrana ilay fampisehoana “Fetin’i Maman’ty!” voalohany tao Antsahamanitra io, izay noraisin’ny LH Pro an-tanana tamin’izany. Nanom­boka teo nivoatra harany, lasa fotoam-bita isaky ny fetin’ny reny ary efa nisy […]

Fivelaran’ny kolontsaina: Ilaina ny dia fibeazana

Manomboka mitombo isa ankehitriny ny foibe kolontsaina mampianatra momba ny fomba amam-panao, zavakanto malagasy, fanandroana, sikidy… Endrika iray maneho fa mivelatra sy liana amin’ny momba azy ny Malagasy, indrindra ny tanora. Amin’ny ankapobeny, fahalalana maro no azon’izy ireo any amin’ireny foibe na toerana fampianarana ireny. Tsikaritra kosa, anefa, fa vitsy […]