kolon-tsaina

Fiverenana ifotony : Lany andro mifampitsikera ny Malagasy

Manomboka mifoha ireo natoritory. Mipoitra ny atsy, miseho ny aroa. Samy manatanteraka hetsika ho fampahafantarana ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ireo fomba amam-panao niainan’ny Mala­gasy fahiny. Mitombo isa mifanindran-dalana amin’izay ihany koa ny fifampitsikerana. Tranga mifanohitra tanteraka amin’itsy tanjona tratrarina. Fahiny, nahay nifanohana sy niray hina ny Malagasy. An­kehitriny, […]

« Tapôlaka Glady Timeless” : Hampiainana ny sanga­na­san’i Rossy ranoiray

Anatin’ny fanomanana faramparany ny ekipa. Efa mipetrapetraka, saingy mbola maro ny pitsopitsony, satria goavana ny hetsika homanina. Tsikaritra izany nandritra ny fitsidihana sady fihaonan’i Rossy sy ny ekipany tamin’ny mpanao ga­zety, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­ma­sina, omaly. Ao no hanatontosana ilay “Tapôlaka Glady Timeless”, ny sabotsy 22 aogositra izao, hanomboka […]

TARATRY ny KANTO

« Talim-poezia », iarahana amin’ireo poetan’ny Tsanta. « Tiako sy andrianiko ny teniko sy ny taniko ». Sady lohahevitra izay no fanafohezana ny anarana nosafidian’ny fikambanana. Hanatontosa Antsa to­nonkalo ravahina hira izy ireo, ny alahady 23 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora , ao amin’ny efitrano fanaovana fetin’ny Sainte Famille Mahamasina. Poeta am-polony izy […]

Papa James : Nodimandry any Afrika Atsimo

Vaovao ratsy indray ho an’ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Fantatra ary efa voamarina fa nodimandry ny alin’ny alatsinainy teo i Papa James. Any Afrika Atsimo, toerana nosafidiana nonenana efa an-taonany maro izao no nahalavoany. Volana vitsivitsy lasa izay no niharan’ny herisetra vokatry ny fanakavahana manjaka any an-toerana ity mpanakanto ity. Norobaina […]

Tarika Rheg the Gang: Haharitra adiny telo ny “Antsika ny Rock”

Hitondra ny “Antsika ny Rock” etsy amin’ny Esplanade P2, Kianja Barea Mahamasina, ny tarika Rheg the Gang, ny 30 aogositra ho avy izao. Manomboka amin’ny 2ora ny fanentanana sy ny varotra fampirantiana vokatra isan-karazany (fitafiana , zava-pisotro, tsakitsaky, ravaka samihafa) ataon’ny Otoprod. Hivoaka ny rakitsary ofisialy “Antsika ny Rock”, nalaina […]