kolon-tsaina

IFM Analakely : voasariky ny fampirantina ny mpanao hosodoko

Miditra amin’ny herinandro farany anaovana ny varotra fampirantina ny eny amin’ny Institut Française de Ma­dagascar na IFM Analakely. Varotra fampirantina tanterahin’i Guy Pradel, mpanao ho­sodoko matihanina. “Ny vahiny sy ny malagasy ao anatin’ny tontolon’ny hosodoko iha­ny no tena lina amin’ny hetsika. Tanjona anefa ny hampiseho bebekokoa ny hosodoka amin’ny Malagasy”, […]

« Amour’Rire » : nanolotra seho tsy nampoizina ry Fou Hehy sy Etsetra Etsetra

Ny fitiavana nolalaovina tanaty hatsikana… Fa tsy izay ihany no natolotry ry Eric sy Honorat ao amin’ny tarika Fou hehy sy Aldini sy Riri ao amin’ny tarika Etsetra Etsetra, omaly. Maro ireo tsy nampoizin’ny mpijery tonga tao amin’ny CCEsca Anta­nimena tamin’ny seho nato­lotr’izy efadahy ireto. Saika hatsikana vaovao ny ankamaroany, […]

“Tagnamaro” : nodiovina ny Rovan’Ilafy

Sabotsy fahatelon’ny volana, fanaovana ny “Tagna­maro” manerana ny Nosy. Ni­safidy ny Rovan’Ilafy ny mi­nisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera foibe, nanatontosana izany ny asabotsy teo. Fana­diovana ny tokontany malalaka, fanamboarana ny zaridaina ary fanalana ireo kirihitra manodidina no marimarina kokoa nitondrana “Tagna­maro” teny amin’ity vakoka manan-tantara ity. Tafiditra anatin’ny fikolokoloana ny […]

Kabary – Fi.Mpi.Ma : hoentina mitety faritany ny hetsika faha-60 taona

Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma), zokiny indrindra eo amin’ny fikajiana sy fikoloana ary fampivelarana ny kabary malagasy. Niavaka noho ny hita hatramin’izay ny zava-nisy nandritra ny fanokafana ny faha-60 taonan’ity fikambanana ity. Notontosaina tetsy amin’ny Araben’ny Faha­leovantena Analakely sy teo anoloana ary tao anatin’ny Lapan’ny tanànan’Anta­nanarivo Renivohitra ny asabotsy teo, ny […]

Fanabeazana : tokony hana­be ihany koa ny mozika

Tanterahina, anio, eny amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny varavarana misokatra ho an’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny mozika. Fikambanana maro no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ity hetsika ity. Isan’izany ny Madajazzcar sy ny LMM ary ny FMMO (Fikambanan’ ny Mpitendry sy Mpankafy Orgue). Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampahafantatra bebe kokoa ny tontolon’ny mozika […]