Hahazo tombony maro ny mpiangaly sy mpankafy hosodoko amin’ity volana febroary ity. Hetsika goavana avokoa no hotanterahina. Etsy ankilany, misy ny varotra fampirantina tanterahin’i Guy Pradel eny amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely. Manomboka anio, hifarana amin’ny 25 febroary 2023. Etsy andanin’izay kosa, manatanteraka varotra fampirantina eny amin’ny […]
kolon-tsaina
« Amitié Evangélique Awards 2022 » : Hankasitrahana ireo mpanakanto ara-pilazantsara
Hiditra amin’ny andiany fahefatra amin’ity ny « Amitié Evangélique Awards ». Araka ny anarany, hetsika hankasitrahana ireo mpanakanto mpivoy ny fiderana an-kira tamin’ ny sanganasany nisongadina nandritra ny taona izy ity. Mpikarakara izany ny Amitié TV. Fantatra fa sokajy 14 no hifaninanana amin’ity, raha 10 izany tamin’ny taon-dasa. Ny antony, miankina […]
Fakafaka: Ny savorovoron-kilantoana !
Nitrangana resaka tetsy sy teroa indray ny tontolon’ny hira malagasy. Ireny ve dia mba zavakanto ? Feo mivalana be ! Aleo ihany ny taloha ! Ireny ve no antsoina hoe mpanakanto ? Ilay gadona mihetsika fotsiny no nitiavako azy fa ny tonony tsy misy vontoatiny, sns. Samy nanana ny nandraisany azy ny rehetra. Ny […]
Aft Andavamamba: tanjona ny famaliana ny filàn’ny tanora
Efa vina napetraky ny Alliance Française, hatramin’izay ny fitaizana sy fanabeazana, indrindra ny tanora. Misy ny hetsika ara-kolontsaina maro ho fampiroboroboana izany. Tontosaina eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo na AFT Andavamamba ny “Festival Amours en Mots”. Hetsika karakarain’ny AFT, nanomboka ny 30 janoary 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny […]
Fitantarana angano : nodimandry i Paul Congo
Maro ireo nahatsiaro ny fahazazany vao maheno ny anaran’i Paul Congo… araka ny vaovao nampitain’ny fianakaviany, nodimandry ny marainan’ny asabotsy teo tany Antsiranana i Jaoravoana Paul. Anarana sy feo tsy zoviana amin’ny maro, satria dia raiki-tapisaka ao ampara-hatoka ireo angano notantarain’i Paul Congo. Nanomboka tao amin’ny radio Varatraza Antsiranana, avy […]




