kolon-tsaina

Guy Pradel : misokatra ny fampirantina

Tontosaina anio ny fampisehoana haikanto ho amin’ny varotra fampiarantina ataon’ny Guy Pradel. Eny amin’ny Institut Français de Madagas­car na IFM Analakely ny 7 hatramin’ny 25 febroary 2023 no hanatanterahina ity varotra fampirantina ity. Ity hetsika ity no entina hanokafana izay varotra fampirantina izay. Tombony manokana ho an’ny Malagasy, indrindra ny […]

Tontosa ny seho goavana… : namoaka DVD ho tsan­gambato ny TMI

Fararanon-danonana ny teny Mahamasina, omaly… Ankoatra ny tao amin’ny kianjabe mantsy, hipoka olona ihany koa ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina, tonga nanotrona sy njery ny seho goavana notontosain’ny Tanora Masina Itaosy. Seho izay nentin’izy ireo namaranana ny fankalazana ny faha-30 taona io, ka notontosain’izy ireo ny fanamby amin’ny hampiavaka […]

“RDJ Mozika”: Mad Max, “Mpanakanton’ny taona 2022”

Zava-dehibe hoan’ireo mpanakanto ny fankasitrahana… Mandrisika azy ireo hanome ny tsara kokoa hatrany ny antom-pisian’ny “RDJ Mozika”. Hoan’ny andiany 2022, nibata ny sokajy misongadina indrindra i Mad Max. “Mpanakanton’ny taona 2022”. La­san’i Mad Max izay anaram-boninahitra anisan’ny nandrandrain’ireo mpanakanto maro izay, nandritra ny “RDJ Mozika 2022”. Tontosa ny alin’ny zoma […]

Marovoay : tsy nisy fikarakarana nandritra ny taona maro

Nandalo tany amin’ny distrikan’i Marovoay sy ny ka­o­mi­­nina Ankaboka ny delagasiona notarihin’ny Filoha Rajoe­li­na omaly namangy ireo traboina any an-toerana. Nanolotra fa­nomezana ho an’ ny traboina, vary sy kojakoja samihafa . Ha­tra­min’ny ben’ny Tanàna ao An­kaboka na­hazo moto sy or­dinatera, ny mpamboly nomena masomboly. Tsy mahagaga raha nolazaina fanombohan’ny fampielezan-kevitra ny […]

Fifaninanana horonantsary : manomboka ny FIFF andiany fahatelo

Hiditra amin’ny andiany fahatelo ny “Festival Inter­national des Films des Fem­mes de Cotonou” na FIFF. Fifaninanana karakarain’ny Association EcranBénin, ho an’ny Vehivavy Afrikanina mpamokatra sy mpanatontosa sarimihetsika. Misokatra ma­nomboka izao ary tsy hifarana raha tsy ny 30 aogositra 2023 ny fisoratana anarana. Loha­hevitra amin’ity hetsika lehibe ity ny hoe “Ho […]