Efa vonona amin’ny fanatanterahana ny fifaninanana ny mpikarakara ny Miss Madagascar 2023. Fanarahana ny fandaharan’asan’ny mpikarakara ny Miss World 2022 no anton’ny fahatarana raha ny nambaran’ny mpikarakara. Mbola tsy fantatra mazava ny datin’ny fifaninanana hatramin’izao. “Ho tanterahina iray volana aorian’ny Miss World 2022 ny fifaninanana Miss Madagascar 2023.” Hoy Rakotoniaina […]
kolon-tsaina
Madagascar Mozarteum: hiaka-tsehatra ry Quatuor Squad
Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-136 ny «Concert classique de midi». Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely amin’ny talata 14 febroary izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro tsy diso, ny Quatuor Squad miaraka amin’i Tohy Ramaroson hitendry ny «contrebasse». Fandaharam-potoana nomanin-dry zareo amin’izany ny famelomana ny sanganasan’i Ludwig […]
Ranty hosodoko: hanome tombony ny Malagasy i Guy Pradel
Tontosaina manomboka androany 7 febroary 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny asabotsy 25 janoary 2023 ny varotra fampirantina tanterahin’i Guy Pradel ao amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely. Guy Pradel, izay teratany frantsay manana fahaizana manokana mahakasika ny hosodoko, ary manana ny lazany any Eropa sy aty […]
Zarasehatra : raikitra ny «Asaramanitra bagasy»
Tontosa ny atrikefa bagasy. Hiroso amin’ny zara sehatra indray ry zareo ao amin’ny Sehatra Bagasy. Hiavaka ny amin’ity volana febroary ity satria ao anatin’ ny «Asaramanitra bagasy» no hanatontosana izany, ny tolakandron’ny asabotsy 11 febroary izao ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola. Nanatanteraka antso ho an’ny tarika, mpanakanto mandeha […]
«Ity foko ity»: hiara-hihira ny fitiavana i Rija R. sy Bodo ary Nate Tex
Hanjakan’ny tsikombakomba. Izay raha tarafina tamin’ny famerenana ny mety ho endrik’ilay fampisehoana “Ity foko ity”. Hihira ny fitiavana manontolo ireo mpanakanto miara-mamolavola izany… “Andao hifampizara fitiavana”, hoy ny fanentanan’ireo mpanakanto. Anisan’ny seho goavana amin’ ireo maromaro entina hanamarihana ny “Saint Valentin” amin’ity ny “Ity foko ity”, iarahana amin’i Rija Ramanantoanina, […]




