kolon-tsaina

“Tana Design Week” : mahaliana ny tanora ny fampirantina

Miditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika “Tana Design Week”, amin’izao fotoana izao. Hetsika tanterahina eny amin’ny Gara Soarano, nanomboka ny 11 hatramin’ny 18 marsa 2023. Mivelatra kokoa amin’ny any ivelany ity andiany ity raha oharina amin’ny teo aloha. Fiaraha-miasa eo amin’ny mpahay “ary raha” (design) malagasy sy vahiny avokoa ny […]

Mpihira malagasy : eto an-tanindrazana i Mamisoa R.

Razanajatovo Mamisoa, vehivavy mpihira momba ny “Lyrique”. Teratany malagasy, manorim-ponenana any Frantsa izy. Ao anatin’ny fandalovany eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, nisy ny fampisehoana notanterahiny teny amin’ny Café du Musée, Andohalo, nanamarihany izany fandalovany an-tanindrazana izany. Nianatra momba ny hira milamina sy ny lanton-kira frantsay ary ny “airs opera” tany […]

«Malgache» hosoloina «Gasitsara» : hisy fiantraikany amin’ny toekarena ny fanovana

Efa misy ny resy lahatra ! Tao anatin’ny taona vitsivitsy, maro amin’ny Malagasy no nahatsikaritra sy miombon-kevitra fa mila ovaina ny « Mal­gache » izay nohagasiana ho « Malagasy ». Namoaka ny voka-pikarohany ny Dr. Randriamahenina Fabrice, mpitsabo sady mpikaroka momba ny fomba amam-panao sy ny fiarahamonina mala­gasy, nanambara fa : «  « Ga­si­tsara » no tokony hiantsoana […]

Haisoratra : andiany faha-XII ny “Zara Fanahy”

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny « Volan’ny poezia », hanatanteraka ny he­tsika « Zara Fanahy » andiany faha-XII ny Faribolana San­dratra. Hahatratra 13 ireo mpandray anjara eny an-tsehatra, ny 25 marsa izao, ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy, tohatoha­baton’An­ta­ninarenina. Omena lanja sy hasina ao anatin’ity antsa tononkalo ity ny tontolon’ny haisoratra malagasy. Ireo « mpizarafanahy » andiany faha-XII […]